1 Jôhany

Toko 1 Ny amin'ilay Teny manome fiainana no anoratanay aminareo. Izy, Izay nisy hatramin'ny voalohany, ka efa renay, efa hitan'ny masonay, efa nobanjininay ary efa notsapain'ny tananay no ambaranay aminareo.
Toko 2 Izany, rey anaka, no soratako aminareo, mba tsy hanotanareo. Kanefa raha misy olona manota, dia manana mpisolovava eo anilan'ny Ray isika, dia i Jesoa Kristy, ilay Marina.
Toko 3 Endrey ity haben'ny fitiavana nasehon'ny Ray ho antsika: fa nantsoina hoe zanak'Andriamanitra isika, sady zanany tokoa! Izao tontolo izao no tsy mahalala antsika, dia noho izy tsy nahalala an'Andriamanitra.
Toko 4 Ry hava-malala, aza mino izay rehetra milaza hoe manana ny Fanahy Masina, fa zahao toetra ireo hahafantarana raha toa ny Fanahy Masina avy amin'Andriamanitra no manentana azy; satria maro ny mpaminany sandoka eran'izao tontolo izao.
Toko 5 Izay rehetra mino fa i Jesoa no Kristy, dia naterak'Andriamanitra; ary izay rehetra tia ilay Andriamanitra niteraka, dia tia izay naterak'Andriamanitra koa.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0632