1 Jôhany

Toko faha-4

1 Ry hava-malala, aza mino izay rehetra milaza hoe manana ny Fanahy Masina, fa zahao toetra ireo hahafantarana raha toa ny Fanahy Masina avy amin'Andriamanitra no manentana azy; satria maro ny mpaminany sandoka eran'izao tontolo izao.

2 Izao no ahafantaranareo ny Fanahin'Andriamanitra: ny olona rehetra manaiky fa efa tonga olombelona tokoa i Jesoa Kristy, dia manana ny Fanahy avy amin'Andriamanitra;

3 ny olona rehetra tsy manaiky an'i Jesoa araka izany, dia tsy manana ny Fanahy avy amin'Andriamanitra: ny fanahy ananany dia ny fanahin'ilay antikristy, izay renareo fa ho avy ary efa eo amin'izao tontolo izao sahady aza ankehitriny.

4 Rey anaka, ianareo dia avy amin'Andriamanitra ary efa naharesy an'ireny mpaminany sandoka ireny; satria lehibe ny Fanahy Masina izay ao anatinareo noho ny fanahy izay ao amin'izao tontolo izao.

5 Ireny mpaminany sandoka ireny dia anisan'izao tontolo izao, ka izany no itenenany zavatra avy amin'izao tontolo izao sy ihainoan'izao tontolo izao azy.

6 Fa izahay kosa dia avy amin'Andriamanitra; ka izay mahalala an'Andriamanitra no mihaino anay, fa izay tsy avy amin'Andriamanitra tsy mba mihaino anay. Izany no ahafantarantsika ny Fanahy fahamarinana sy ny fanahy fahadisoan-kevitra.

7 Ry hava-malala, aoka hifankatia isika, fa avy amin'Andriamanitra ny fitiavana, ary izay rehetra tia no naterak'Andriamanitra sady mahalala an'Andriamanitra.

8 Izay tsy tia dia tsy mahalala an'Andriamanitra, satria Andriamanitra dia fitiavana.

9 Izao no nanehoan'Andriamanitra ny fitiavany antsika: nirahiny ho eo amin'izao tontolo izao ny Zanany lahitokana mba hahavelona antsika amin'ny alalany.

10 Izao no fitiavana: tsy hoe isika no nitia an'Andriamanitra; fa Izy no nitia antsika, ka naniraka ny Zanany lahitokana ho sorom-panonerana hamelana ny fahotantsika.

11 Ry hava-malala, raha toy izany no nitiavan'Andriamanitra antsika, dia mba tokony hifankatia koa isika.

12 Tsy mbola nisy olona nahita an'Andriamanitra na oviana na oviana; fa raha mifankatia isika, dia mitoetra ao anatintsika Andriamanitra, ary lavorary ao anatintsika ny fitiavana Azy.

13 Ny ahafantarantsika fa mitoetra ao anatin'Andriamanitra isika ary Izy ao anatintsika, dia ny Fanahiny efa nomeny antsika.

14 Ary izahay efa nahita ka dia vavolombelona manambara fa naniraka ny Zanany ho Mpamonjy an'izao tontolo izao ny Ray.

15 Na iza na iza manaiky an'i Jesoa ho Zanak'Andriamanitra, dia mitoetra ao anatiny Andriamanitra ary izy ao anatin'Andriamanitra.

16 Ary isika efa mahalala sy mino ny fitiavan'Andriamanitra antsika. Andriamanitra dia fitiavana; koa izay mitoetra ao amin'ny fitiavana no mitoetra ao anatin'Andriamanitra, ary Andriamanitra ao anatiny.

17 Izao no mahalavorary ny fitiavana eo anivontsika: hanan-toky isika amin'ny andro fitsarana, satria tahaka an'i Kristy isika eto amin'izao tontolo izao.

18 Tsy mba manan-tahotra ny fitiavana, fa ny fitiavana lavorary mandroaka ny tahotra. Mifantoka amin'ny sazy manko ny tahotra, fa izay matahotra dia mbola tsy lavorary amin'ny fitiavana.

19 Tia isika, satria Andriamanitra no efa tia antsika mialoha.

20 Raha misy manao hoe: Manam-pitiavana an'Andriamanitra aho, nefa mankahala ny namana iray finoana, dia mpandainga izy; fa raha ny namana izay hitany aza tsy tiany, hataony ahoana no fitia an'Andriamanitra Izay tsy hitany?

21 Ary izao no didy azontsika tamin'i Kristy: izay manam-pitiavana an'Andriamanitra dia tsy maintsy manam-pitiavana ny namana iray finoana koa.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0966