1 Jôhany

Toko faha-2

1 Izany, rey anaka, no soratako aminareo, mba tsy hanotanareo. Kanefa raha misy olona manota, dia manana mpisolovava eo anilan'ny Ray isika, dia i Jesoa Kristy, ilay Marina.

2 Izy no sorom-panonerana amelana ny fahotantsika; ary tsy ny antsika ihany, fa ny an'izao tontolo izao koa.

3 Ny ahafantarantsika fa mahalala an'Andriamanitra isika, dia ny fitandremantsika ireo didiny.

4 Izay milaza ho mahalala an'Andriamanitra, nefa tsy mitandrina ireo didiny, dia mpandainga sady tsy ao anatin'izany olona izany ny hafatra marim-pototra.

5 Fa na iza na iza mitandrina ny tenin'Andriamanitra, dia lavorary ao aminy marina tokoa ny fitiavana an'Andriamanitra; izany no ahafantarantsika fa tafaray amin'Andriamanitra isika.

6 Izay milaza fa mitoetra ao anatin'Andriamanitra izy, dia tsy maintsy miaina toa izay niainan'i Kristy koa.

7 Ry hava-malala, tsy didy vaovao no soratako aminareo, fa didy ela, izay nanananareo hatramin'ny voalohany; izany didy ela izany dia ilay teny efa renareo.

8 Didy vaovao ihany koa no soratako aminareo, dia ilay hita marina eo amin'i Kristy sy eo aminareo, satria misava ny haizina ary efa mamiratra ny fahazavana tena izy.

9 Izay milaza fa ao amin'ny fahazavana izy, kanefa mankahala ny namany iray finoana, dia mbola ao amin'ny haizina ihany.

10 Izay tia ny namany iray finoana no mitoetra ao amin'ny fahazavana, ka tsy misy zavatra mitaona ny hafa amin'ny ratsy ao aminy.

11 Fa izay mankahala ny namany no ao amin'ny haizina: ao amin'ny haizina no andehanany ka tsy fantany izay alehany, satria voajamban'ny haizina ny masony.

12 Izao no soratako ho anareo rankizy: Voavela ny fahotanareo noho ny anaran'i Kristy!

13 Izao no soratako ho anareo ray aman-dreny: Efa nahalala Ilay nambara hatramin'ny voalohany ianareo! Izao no soratako ho anareo zatovo: Efa naharesy ilay Ratsy ianareo!

14 Izao no voasoratro ho anareo ankizy: Efa nahalala ny Ray ianareo! Izao no voasoratro ho anareo ray aman-dreny: Efa nahalala Ilay nambara hatramin'ny voalohany ianareo! Izao no voasoratro ho anareo zatovo: Mahery ianareo ary mitoetra ao anatinareo ny tenin'Andriamanitra, sady efa naharesy ilay Ratsy ianareo!

15 Aza mankamamy an'izao tontolo izao, na ny zavatra izay ao amin'izao tontolo izao. Raha misy olona mankamamy an'izao tontolo izao, dia tsy ao anatin'izany olona izany ny fitiavana ny Ray.

16 Satria ny zavatra rehetra izay ao amin'izao tontolo izao, izany hoe ny filandratsin'ny maha olona mpanota sy ny fitsiriritan-javatra hitan'ny maso ary ny rehaka momba izao fiainana izao, dia tsy avy amin'ny Ray, fa avy amin'izao tontolo izao.

17 Mandalo izao tontolo izao sy ny filandratsy itaomany, fa izay manao ny sitrapon'Andriamanitra no maharitra mandrakizay.

18 Rey anaka, izao no fotoanandro farany. Araka ny efa renareo dia ho avy ilay antikristy, sady maro ny antikristy efa tonga sahady; ka izany no ahafantarantsika fa izao no fotoanandro farany.

19 Avy tamintsika ihany ireo no niala, saingy tsy namantsika; satria raha namantsika tokoa ireo, dia ho naharitra niaraka tamintsika. Fa ireo no niala, dia mba hampiharihary fa tsy namantsika avokoa ny olona rehetra.

20 Ianareo kosa dia manana ny Fanahy Masina avy amin'i Kristy ary mahafantatra izany avokoa ianareo.

21 Tsy noho ianareo tsy mahafantatra ny hafatra marim-pototra no nanoratako taminareo, fa noho ianareo mahafantatra izany; ary fantatrareo koa fa tsy misy lainga avy amin'ilay hafatra marim-pototra.

22 Iza no mpandainga, raha tsy izay manda an'i Jesoa tsy ho Kristy? Izy no ilay antikristy, manda ny Ray sy ny Zanaka.

23 Izay rehetra manda ny Zanaka no tsy manana ny Ray koa; izay manaiky ny Zanaka no manana ny Ray koa.

24 Ianareo kosa, dia ny hafatra izay efa renareo hatramin'ny voalohany no aoka hitoetra ao anatinareo. Raha mitoetra ao anatinareo ny hafatra izay efa renareo hatramin'ny voalohany, dia hitoetra ao anatin'ny Zanaka sy ny Ray koa ianareo.

25 Ary ny zavatra nampanantenain'i Kristy antsika dia ny fiaina-maharitra mandrakizay.

26 Izany no voasoratro ho anareo, dia ny amin'ireo mitady hamitaka anareo.

27 Ianareo kosa, dia ny Fanahy Masina efa noraisinareo avy tamin'i Kristy no mitoetra ao anatinareo, ka tsy mila hampianarin'olona ianareo. Fa ny Fanahy Masina avy amin'i Kristy no mampianatra anareo ny amin'ny zavatra rehetra, ary zavatra marim-pototra fa tsy lainga no ampianariny; ka tomoera ao anatin'i Kristy ianareo, araka ny nampianaran'ny Fanahy Masina anareo.

28 Eny, rey anaka, tomoera ao anatin'i Kristy ianareo mba hananantsika toky rahatrizay hiseho Izy ary mba tsy ho voaroaka lavitra Azy isika amin'ny andro hiaviany ka ho afa-baraka.

29 Raha fantatrareo fa marina Andriamanitra, dia fantaro fa izay rehetra manao ny marina soritany koa dia naterak'Andriamanitra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0558