Salamo
Toko faha-78 (77)
51 novonoiny ho faty avokoa ny lahimatoa rehetra tany Ejipta , dia ireo santatry ny hery tamin'ny ankohonan'ny terak'i Hama.52 Ny vahoakany kosa nafindrany toy ny ondry ary notarihiny toy ny andiany tany an-taniefitra ;
53 nentiny tamim-pilaminana ireo ka tsy natahotra, fa ny fahavalony no voasaron-dranomasina.
54 Nentiny ho any amin'ny tany masina ny vahoakany , teo amin'ilay tendrombohitra izay azony tamin-kery ;
55 noroahiny ny firenen-kafa teo anoloany, nozarainy antsapaka ho azy ny taniny; ka ny tranon'ireo firenen-kafa ireo ihany no nampitoerany ny fokon'i Israely.
56 Nefa nihantsy an'Andriamanitra Avo Indrindra izy ka nikomy taminy sy nandika ny didiny ;
57 nihemotra sy nivadika toy ireo razany izy, eny, nisampotina toy ny tsipika manody.
58 Nampahatezitra ny TOMPO izy tamin'ireo toeram-panasinany sady nankasiaka mafy Azy tamin'ny sarivongan'andriamani-tsiizy.
59 Nahatsapa izany Andriamanitra, dia nisafoaka; ka nariany tanteraka ny Israelita,
60 nilaozany ny fonenany tao Silao, dia ny tranolay nitoerany teo amin'ny olona.
61 Ary ny Vatamasina maneho ny heriny sy voninahiny dia nafoiny ho voababon'ny fahavalo.
62 Natolony ho fatin-tsabatra ny vahoakany, fa nahatezitra Azy tokoa ireo voatokana ho fananany.
63 Kilan'ny afo ireo zatovolahiny; noho izany ireo zatovovaviny dia tsy nanaovana hiram-pampakarana;
64 matin-tsabatra ireo mpisorony, ary tsy afaka nisaona azy akory ireo vehivavy mpitondratenany.
65 Dia nifoha ny TOMPO toy ny avy natory, tahaka ny mpiady maherifo notairin'ny divay.
66 Nasiany teo ivoho ireo fahavalony ka nataony afa-baraka mandrakizay.
67 Nariany ny taranak'i Josefa: tsy nofidiny ny fokon'i Efraima ,
68 fa ny fokon'i Joda no voafidiny ary ny tendrombohitra Tsiona no maminy;
69 teo no nanorenany ny tempoliny ho avo toy ny lanitra ambony ary ho mafy tahaka ny tany izay najorony ho mandrakizay.
70 Dia nofidiny i Davida mpanompony ka nalainy avy tany an-kijana;
71 teo am-piandrasana reniondry mampinono izy no nampanalainy mba hiandry ny olony, dia ireo taranak'i Jakoba na ny vahoaka Israely izay efa voatokana ho fananany.
72 Tamin'ny fo mahitsy no nikarakaran'i Davida azy ary tamim-pahakingana no nitarihany azy.