Salamo
Toko faha-78 (77)
1 Tononkalo fananarana nataon'i Asafa. Henoy tsara ny fampianarako, ry mpiray firenena amiko; atongilano ny sofinareo amin'izay teny lazaiko.2 Hisoka-bava hanao fanoharana aho ka hanatsoaka lesona avy amin'ny fahiny.
3 Izay efa renay sy fantatray satria notantarain'ireo razantsika taminay,
4 dia tsy hafeninay amin'ny zanakay koa; eny, hampitainay amin'ny taranaka ho avy ny zavatra tokony hiderana ny TOMPO ary koa ny asa mahery sy mahagaga nataony.
5 Nampijoro fitsipika ho an'ny vahoakany Izy ary nametraka lalana teo amin'i Israely, ka nandidy ny razantsika mba hampianatra izany tantara izany amin'ireo zanany.
6 Amin'izay ny taranaka ho avy, izany hoe ireo zaza mbola hateraka, dia hahafantatra ihany koa ka hijoro hampita amin-janany,
7 mba hahatonga azy hatoky an'Andriamanitra ka tsy hanadino ny asa mahery nataony fa hitandrina kosa ny didiny.
8 Amin'izay ireto tsy hanahaka ireo razany izay taranaka naditra sy nikomy, taranaka nanana fo niovaova sy fanahy tsy natoky an'Andriamanitra.
9 Ny olona tao amin'ny fokon'i Efraima, izay nirongo tsipika sy zana-tsipika, dia nandositra tamin'ny andro fiadiana:
10 Tsy nitandro ny fanekem-pihavanana nifanaovany tamin'Andriamanitra izy, fa tsy nety hanaraka ny lalanany;
11 hadinon'ireo ny asa mahery nataony sy ny zava-mahagaga efa nasehony taminy.
12 Tany Ejipta, tao amin'ny faritr'i Tsohana , teo anatrehan'ireo razany mihitsy no nanaovan'Andriamanitra zava-mahagaga :
13 nosarahiny ny ranomasina mba hampitany azy ireo, nasainy nivangongo ny rano ho tahaka ny fefiloha ;
14 Andry rahona no nitarihany azy tamin'ny antoandro ary ny hazavan'ny afo nandritra ny alina.
15 Namaky vatolampy tany an-taniefitra Izy, ka nampisotro azy tamin'ny loharano nitosaka avy any amin'ny fanambanin'ny tany;
16 rano mandriaka no navoakany avy amin'ny harambato ka nataony nikoriana tahaka ny renirano.
17 Kanjo nanohy ny fahotany ihany ireo ka nikomy tamin'ilay Avo Indrindra, tao amin'izany tany karankaina izany.
18 Sahy nihantsy an'Andriamanitra aza izy, ka nangataka izay hanina nahaliana azy;
19 niteny ratsy an'Andriamanitra ireo, raha nanao fanontaniana hoe: "Andriamanitra ve afaka hanome sakafo ho hanintsika aty an-taniefitra aty?
20 Marina fa nikapoka vatolampy Izy ka nampigororoana rano avy ao hanjary riaka mibosasaka. Saingy ho hainy ve ny hanome mofo na hamatsy hena ny vahoakany?"
21 Nandre izany ny TOMPO ka nisafoaka tamin'ireo taranak'i Jakoba; nirehitra toy ny afo ny hatezerany ka namely ny Israelita,
22 satria tsy nino Azy akory ireo sady tsy natoky ny famonjeny.
23 Nefa nandidy ny rahona avy any ambony Izy, ka nanokatra ny varavaran'ny lanitra;
24 dia nandrotsahany ny mana ireo ho sakafony, vary avy any an-danitra no nomeny azy.
25 Mofon'ny mahery no nohanin'ny olona efa osa, fa nandefasany vatsy mahavoky izy.
26 Nataon'Andriamanitra nifofofofo teny an-danitra ny rivotra avy any atsinanana; ary ny heriny no nitondrany ny rivotra avy any atsimo.
27 Dia nandatsahany hena betsaka hoatra ny vovoka ireo ary voro-manidina marobe toy ny fasi-dranomasina;
28 teo anivon'ny tobiny no nandatsahany azy, teny manodidina ny tranolainy teny.
29 Dia nihinana izy rehetra ka voky tokoa, satria izay niriny dia nomen'ny Tompo azy;
30 kanefa mbola tsy afa-po ihany ireo, na dia mbola feno aza ny vavany.
31 Koa nirehetan'ny fahatezeran'Andriamanitra izy: dia nahafatesany tamin'ireo matanjaka, nataony ripaka ny zatovo israelita.
32 Na teo aza izany rehetra izany, dia mbola nanota ihany ireo; ary na teo aza ny zava-mahagaga nataony, dia tsy natoky an'Andriamanitra izy.
33 Koa indray mitsoka monja no nandevonany ny fisiany; ary tamin'ny loza tampoka no nanaperany ny taonany.
34 Fa raha naringana izy, dia nitady an'Andriamanitra, ary mba niverina nikatsaka Azy ihany;
35 tsaroany fa Andriamanitra no vatolampiny, Andriamanitra Avo Indrindra no mpanavotra azy.
36 Saingy nanao teny fitaka hilaza lainga tamin'ny Tompo ireo;
37 tsy niraiki-po taminy izy ary tsy natoky ny fanekem-pihavanana izay nifanaovany taminy.
38 Be indrafo anefa Andriamanitra ka namela ny hadisoany ary tsy nandringana azy; nahatsindry hatezerana Izy ary nampitony fahavinirana.
39 Tsaroany fa osa sy malemy ireo tsio-drivotra mandalo ka tsy hiverina intsony.
40 Impiry impiry akory moa ireo no efa nikomy taminy tany an-taniefitra ka nampahatezitra Azy tany an-tany foana!
41 Fa nikiry nihantsy an'Andriamanitra izy ka nampalahelo an'ilay Masin'i Israely.
42 Nohadinoiny ny hery nasehony fony Izy nanafaka azy tamin'ny mpampahory,
43 ka nanao famantarana tany Ejipta sy zava-mahagaga teo amin'ny faritr'i Tsohana:
44 novany ho ra ny rano teny an-dakandrano ka tsy azon'ny Ejiptianina nosotroina intsony ;
45 nalefa ny hitsentsitra azy ireo ny fihitra ary hanimba zavatra ny sahona ;
46 nomeny ho hanin'ny sompanga ireo vokatry ny taniny ary ho hanin'ny valala ny valin-kasasarany ;
47 naripany tamin'ny havandra ny voalobony sy tamin'ny fanala ny aviaviny;
48 natolony hasian'ny havandra ny biby fiompiny sy hasian'ny varatra ny omby aman'ondriny.
49 Nozerany fahatezerana mirehitra ny Ejiptianina, dia fahavinirana sy fisafoahana ary fampahoriana izay toy ny andian'iraka tonga hitondra loza.
50 Namparin'Andriamanitra ny fahatezerany, ka tsy narovany tamin'ny fahafatesana ireo fa natolony velona ho azon'ny areti-mandringana;