Nomerỳ
Toko faha-33
52 dia horoahinareo avokoa ny mponina rehetra eo amin'ny tany, hopotehinareo ny sary vato sy sary metaly rehetra mampiseho ny andriamaniny, ary horaranareo avokoa ny toeram-pivavahany.53 Halainareo ny tany ka honenanareo, fa ianareo no nomeko azy ho lovanareo.
54 Antsapaka no hizaranareo ny tany araka ny tarikareo avy; izay maro an'isa no homenareo zara tany bebe kokoa, ary izay vitsy kosa dia homenareo zara tany kelikely kokoa. Antsapaka ihany no hamaritana ny toerana hisy ny anjaran'ny tarika tsirairay; ary araka ny fokon-drainareo avy no hahazoanareo zara tany.
55 Fa raha tsy roahinareo ny mponina rehetra amin'ny tany ao, dia ho lay amin'ny masonareo sy ho tsilo amin'ny tehezanareo izay olona sisa tavela ka hampijaly anareo eo amin'ny tany honenanareo.
56 Ary dia hataoko aminareo izay efa nokasaiko hatao aminy.