Nomerỳ
Toko faha-26
53 Hozaraina amin'ireo foko ireo ny tany arakaraka ny isan'ny olona ao aminy.54 Ny foko izay maro an'isa dia homenao zaratany lehibe kokoa, fa izay vitsy kosa dia homenao kelikely kokoa; arakaraka ny isany ihany no hanomezanao ny zaratany.
55 Antsapaka anefa no hizarana ny tany, na dia araka ny habetsahan'ny olona isam-poko, aza.
56 Antsapaka izany no hanapahana izay faritra homena ny foko maro an'isa sy ny foko vitsy an'isa.
57 Toy izao no voaisa ho taranak'i Levy, araka ny tarika tao aminy: ny Gersonita avy tamin'i Gersona; ny Kehatita avy tamin'i Kehata; ny Merarita avy tamin'i Merary.
58 Toy izao ny fianakaviambe levita: ny Libnita sy ny Hebronita, ny Mahalita sy ny Mosita ary ny Korahita. I Kehata no niteraka an'i Hamrama
59 izay nanambady an'i Jokebeda zanakavavy naterak'i Levy tany Ejipta. Io Jokebeda io no nanome zanaka telo an'i Hamrama dia i Aharona sy i Mosesy mirahalahy ary i Miriama anabaviny.
60 I Aharona dia niteraka an'i Nadaba sy i Abiho ary i Elehazara sy i Itamara.
61 Fa i Nadaba sy i Abiho dia maty, fony nandoro vovo-javamanitra tsy sahaza teo anatrehan'ny TOMPO.
62 Ny fitambaran'ny lehilahy levita rehetra nihoatra ny iray volana dia 23000. Tsy niara-natao fanisana tamin'ny Israelita izy, satria tsy mba nomena zaratany teo anivon'ny Israelita.
63 Ireo no vokatry ny fanisam-bahoaka nataon'i Mosesy sy i Elehazara mpisorona tamin'ny Israelita tao amin'ny lemak'i Moaba, amoron'i Jordana tandrifin'i Jerikao.
64 Tamin'izy ireo dia tsy nahitana na iray aza tamin'izay efa voaisan'i Mosesy sy i Aharona mpisorona tamin'ny fanisam-bahoaka natao tamin'ny Israelita tany an-taniefitr'i Sinay,
65 satria ny TOMPO efa nilaza fa ho faty any an-taniefitra ireo. Koa tsy nisy niangana tamin'ireo, afa-tsy i Kaleba zanakalahin'i Jefone ary i Josoa zanakalahin'i Nona.