Nomerỳ
Toko faha-26
1 Taorian'io loza io, dia hoy ny TOMPO tamin'i Mosesy ary tamin'i Elehazara mpisorona sady zanakalahin'i Aharona:2 Manaova fanisam-bahoaka isam-pianakaviana eo amin'ny Fiangonan'i Israely, dia izay lehilahy rehetra roapolo taona no ho miakatra ka mahatam-piadiana.
3 Teo amin'ny lemak'i Moaba amoron'i Jordana tandrifin'i Jerikao no nitenenan'i Mosesy sy i Elehazara mpisorona tamin'ireo Israelita ka nanambarany
4 fa, araka izay nandidian'ny TOMPO an'i Mosesy, dia hanaovana fanisana ny lehilahy rehetra roapolo taona no ho miakatra. Ireto avy ary ireo Israelita izay niala tany Ejipta:
5 Ny taranak'i Reobena, lahimatoan'i Israely, dia nisy ireto tarika ireto: ny Hanokita avy tamin'i Hanoka; ny Paloita avy tamin'i Palo;
6 ny Hetsironita avy tamin'i Hetsirona; ny Karmita avy tamin'i Karmy.
7 Ireo no tarika robenita; ary 43730 no isan'ny lehilahy mahatam-piadiana tao aminy.
8 Ny zanakalahin'i Palo anankiray dia i Eliaba,
9 izay rain'i Nemoela sy i Datana ary i Abirama. Ireo Datana sy i Abirama ireo no solotenan'ny Fiangonana izay nanohitra an'i Mosesy sy i Aharona; niaraka tamin'ny tarik'i Kora izy roa lahy raha nikomy tamin'ny TOMPO izy ireo.
10 Nisokatra ny tany ka nitelina azy ireo mbamin'i Kora, tamin'ny andro nahafatesan'ny tariny sy nandevonan'ny afo lehilahy 250 izay natao ho ohatra ho an'ny vahoaka sisa.
11 Kanefa ireo zanakalahin'i Kora kosa tsy mba maty.
12 Ny taranak'i Simehona, araka ny tarika tao aminy, dia izao: ny Nemoelita avy tamin'i Nemoela; ny Jaminita avy tamin'i Jamina; ny Jakinita avy tamin'i Jakina;
13 ny Tsoharita avy tamin'i Tsohara; ny Saolita avy tamin'i Saoly.
14 Ireo no tarika simehonita; ka nisy 22200 ny lehilahy mahatam-piadiana tao aminy.
15 Ny taranak'i Gada, araka ny tarika tao aminy, dia izao: ny Tsefonita avy tamin'i Tsefona; ny Hagita avy tamin'i Hagy; ny Sonita avy tamin'i Sony;
16 ny Oznita avy tamin'i Ozny; ny Herita avy tamin'i Hery;
17 ny Arodita avy tamin'i Aroda; ny Arelita avy tamin'i Arely.
18 Ireo no tarika gadita; ka nisy 40500 ny lehilahy mahatam-piadiana tao aminy, araka ny nanisana azy.
19 Ny taranak'i Joda, araka ny tarika tao aminy, dia: ny Selanita avy tamin'i Sela; ny Peritsita avy tamin'i Peretsa; ny Zerahita avy tamin'i Zera. Ny taranak'i Peretsa dia nisy fianakaviambe anankiroa: ny Hetsironita avy tamin'i Hetsirona ary ny Hamolita avy tamin'i Hamola. Ny zanak'i Joda roa lahy, i Hera sy i Onana, anefa dia maty tany Kanahana.
22 Ireo no tarika tao amin'ny fokon'i Joda; ka nisy 76500 ny lehilahy mahatam-piadiana tao aminy, araka ny nanisana azy.
23 Ny taranak'i Jisakara, araka ny tarika tao aminy, dia izao: ny Tolahita avy tamin'i Tola; ny Povanita avy tamin'i Pova;
24 ny Jasobita avy tamin'i Jasoba; ny Simronita avy tamin'i Simrona.
25 Ireo no tarika isakarita; ka nisy 64300 ny lehilahy mahatam-piadiana tao aminy, araka ny nanisana azy.
26 Ny taranak'i Zebolona, araka ny tarika tao aminy dia izao: ny Seredita avy tamin'i Sereda; ny Elonita avy tamin'i Elona; ny Jahilielita avy tamin'i Jahiliela.
27 Ireo no tarika zebolonita; ka nisy 60500 ny lehilahy mahatam-piadiana tao aminy, araka ny nanisana azy.
28 Ny taranak'i Josefa, araka ny fokony avy, dia ny Manasita sy ny Efraimita.
29 Ny fokon'i Manase dia nisy ireto tarika ireto: ny Makirita avy tamin'i Makira; ny Gilehadita avy tamin'i Gilehada zanakalahin'i Makira.
30 Ny taranak'i Gilehada dia ireto fianakaviana ireto: ny Ihezerita avy tamin'i Ihezera, ny Helekita avy tamin'i Heleka,
31 ny Asrielita avy tamin'i Asriela, ny Sekemita avy tamin'i Sekema,
32 ny Semidita avy tamin'i Semida, ary ny Heferita avy tamin'i Hefera.
33 I Tselofahana zanakalahin'i Hefera, tsy mba nanan-janakalahy, fa zanakavavy ihany ka ireto avy no anarany: i Mahela, Noha, Hogla, Milka ary Tiritsa.
34 Ireo no tarika manasita; ka nisy 52700 ny lehilahy mahatam-piadiana tao aminy, araka ny nanisana azy.
35 Ny fokon'i Efraima, araka ny tarika tao aminy, dia izao: ny Sotelahita avy tamin'i Sotela; ny Bekerita avy tamin'i Bekera; ny Tahanita avy tamin'i Tahana.
36 Ny fianakaviamben'ny Heranita dia avy tamin'i Herana, zanakalahin'i Sotela.
37 Ireo no tarika efraimita; ka nisy 32500 ny lehilahy mahatam-piadiana tao aminy, araka ny nanisana azy. Ireo no taranak'i Josefa, araka ny fokony avy.
38 Ny taranak'i Benjamina, araka ny tarika tao aminy, dia izao: ny Belahita avy tamin'i Bela; ny Asbelita avy tamin'i Asbela; ny Ahiramita avy tamin'i Ahirama;
39 ny Sofamita avy tamin'i Sofama; ary ny Hofamita avy tamin'i Hofama.
40 Ny taranak'i Bela dia nisy fianakaviambe anankiroa: ny Ardita, avy tamin'i Arda, ary ny Nahamita avy tamin'i Nahamana.
41 Ireo no tarika benjaminita; ka nisy 45600 ny lehilahy mahatam-piadiana tao aminy, araka ny nanisana azy.
42 Tarika tokana ihany kosa ny taranak'i Dana, dia ny Sohamita avy tamin'i Sohama.
43 Ny tarika sohamita manontolo dia nisy 64400 ny lehilahy mahatam-piadiana tao aminy, araka ny nanisana azy.
44 Ny taranak'i Asera, araka ny tarika tao aminy, dia izao: ny Jimnita avy tamin'i Jimna; ny Jisvita avy tamin'i Jisvy; ny Berihita avy tamin'i Beriha.
45 Ny fianakaviambe avy tamin'ny taranak'i Beriha dia ny Heberita avy tamin'i Hebera ary ny Malkielita avy tamin'i Malkiela.
46 I Asera dia nanan-janaka vavy natao hoe Sera.
47 Ireo no tarika aserita; ka nisy 53400 ny lehilahy mahatam-piadiana tao aminy, araka ny nanisana azy.
48 Ny taranak'i Naftaly, araka ny tarika tao aminy, dia izao: ny Jahatsielita avy tamin'i Jahatsiela; ny Gonita avy tamin'i Gony;
49 ny Jetserita avy tamin'i Jetsera; ary ny Silemita avy tamin'i Silema.
50 Ireo no tarika naftalita; ka nisy 45400 ny lehilahy mahatam-piadiana tao aminy, araka ny nanisana azy.
51 Ny fitambaramben'ny lehilahy israelita mahatam-piadiana dia nahatratra 601730.
52 Niteny tamin'i Mosesy ny TOMPO ka nanao hoe: