Matio
Toko faha-27
51 Ary indro ny efitra lamba tao amin'ny Toeramasina fa nitriatra nizara roa hatrany ambony ka hatrany ambany. Dia nihorohoro ny tany; nitresaka ny vatolampy;52 ary nisokatra ny fasana ka maro ny olona anisan'ny vahoakan'Andriamanitra efa nodimandry no velona indray.
53 Dia niala tao am-pasana ireo olona ireo rehefa nitsangana velona i Jesoa ary niditra tao Jerosalema tanana masina izy ireo, ka niseho tamin'olona maro.
54 Ary ilay kapiteny sy ireo miaramila niambina an'i Jesoa niaraka taminy kosa, raha vao nahita ny horohorontany sy ny zava-nitranga, dia raiki-tahotra mafy sady loa-bolana hoe: Tena Zanak'Andriamanitra tokoa io Lehilahy io!
55 Nisy vehivavy maro koa teo, nitazana avy teny lavidavitra teny: dia ireo niaraka tamin'i Jesoa hatrany Galilea ka nanampy Azy.
56 Anisan'ireo i Maria avy any Magdala, sy i Maria renin-dry i Jakoba sy i Josefa mirahalahy, ary ny vadin'i Zebedeo.
57 Nony hariva ny andro, dia tonga ity lehilahy mpanankarena avy any amin'ny tanana atao hoe Harimatia; i Josefa no anarany ary mpianatr'i Jesoa ihany koa izy.
58 Nanatona an'i Pilato izy nangataka ny vatan'i Jesoa; ary dia nasain'i Pilato nomena azy izany.
59 Nalain'i Josefa ny vatan'i Jesoa, dia nofonosiny lamba sarobidy madio
60 ary napetrany tao amin'ny fasana vaovao izay nampandavahany ho an'ny tenany tamin'ny vatolampy. Rehefa avy nanakodia vato makadiry teo amin'ny vavafasana i Josefa, dia lasa nandeha.
61 Ary teo i Maria avy any Magdala sy ilay Maria anankiray hafa ka nipetraka tandrifin'ny fasana.
62 Ny ampitson'iny andro fiomanana amin'ny sabata iny, dia niara-nivory tany amin'i Pilato ny lohandoha-mpisorona sy ny Farisianina
63 ka nanao hoe: Tompoko, tsaroanay fa fony mbola velona iny mpamitaka iny dia izao no teniny: Amin'ny andro fahatelo, dia hitsangana velona Aho.
64 Koa asaovy ambenana ny fasany ambara-pahafaky ny andro fahatelo, fandrao avy ireo mpianany hangalatra ny fatiny ka hilaza amin'ny vahoaka hoe: Nitsangana velona avy tany amin'ny maty Izy; ka ho ratsy kokoa ny fitaka farany noho ny voalohany.
65 Dia hoy i Pilato tamin-dry zareo: Manana mpiambina ianareo, koa ndeha ataovy tsara antoka ny fasana araka izay fantatrareo fa mety.
66 Dia lasa izy ireo ka nataony tsara antoka ny fasana: nasiany tombokase ny vato hidim-pasana sady nametrahany mpiambina.