Matio

Toko faha-13

51 Ary hoy i Jesoa tamin'ny mpianany: Efa fantatrareo ve izany rehetra izany? Ka novalian'ireo hoe: Eny, efa fantatray!

52 Dia hoy indray i Jesoa taminy: Koa amin'izany ary, ny mpahay lalana rehetra izay nanjary mpianatra ao amin'ny Fanjakan'ny lanitra dia tahaka ny tompon-drakitra izay mamoaka zava-baovao sy tranainy avy amin'ny tahirin-drakiny.

53 Rehefa vitan'i Jesoa ireo fanoharana ireo, dia niala teo Izy

54 ary nankany amin'ny tanana nahabe Azy. Nampianatra ny olona tao amin'ny sinagoga i Jesoa, hany ka talanjona ry zareo sady loa-bolana hoe: Avy taiza re no nahazoan'ilay io izany fahendrena izany sy nahavitany ireny asa mahagaga ireny?

55 Tsy ny zanak'i Josefa mpandrafitra ve io? Tsy i Maria ve no anaran-dreniny? Tsy i Jakoba sy i Josefa ary i Simona sy i Joda ve no anaran'ireo rahalahiny?

56 Ary moa tsy miara-monina amintsika avokoa ve ireo anabaviny? Koa avy taiza ary ny nahazoan'ilay io izany rehetra izany?

57 Dia voasakana tsy hino Azy ry zareo. Fa hoy i Jesoa taminy: Mpaminany tsy hajaina eo amin'ny tanana nahabe azy sy eo amin'ny fianakaviany, na dia heni-kaja any an-kafa aza!

58 Ary tsy nahavita asa mahagaga firy teo i Jesoa, noho ry zareo tsy nanam-pinoana.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0826