Marka

Toko faha-6

51 Niakatra nankeo aminy tao an-tsambokely i Jesoa, dia indro nijanona ny rivotra; ka talanjona fatratra ny mpianatra,

52 satria tsy azony an-tsaina ilay nampitomboana ny mofo, noho ny hamafin'ny fony.

53 Ary nony tafita ny rano i Jesoa mbamin'ny mpianany, dia tonga tao amin'ny faritanin'i Genesareta, ka niantsona teo.

54 Rehefa niala tao an-tsambokely ry zareo, dia nahafantatra an'i Jesoa avy hatrany ny olona,

55 ka lasa nitety haingana ny faritany manontolo ary nitondra ny marary tamin'ny filanjana hankany amin'izay reny fa nisy Azy.

56 Ary tany amin'ny toerana rehetra nalehan'i Jesoa, na tanana kely na tanan-dehibe na ambanivohitra, dia teny amin'ny kianja no nametrahana ny marary; ary dia niangavian'ny olona i Jesoa mba hamela ny marary hikasika na dia ny somotraviavin-dambany fotsiny ihany aza; ary izay rehetra nikasika Azy dia sitrana avokoa.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0944