Marka
Toko faha-14
51 Ary nisy zatovolahy iray nanaraka an'i Jesoa, tsy nanana afa-tsy akanjo manolo-koditra. Nosamborin'ny olona koa izy;52 fa nafoin'ilay zatovo ny akanjony ka lasa izy nandositra niboridana.
53 Nentina tao an-tranon'ny mpisorombe i Jesoa. Tonga tao avokoa ireo lohandoha-mpisorona sy loholona ary mpahay lalana.
54 Fa i Petera kosa nanaraka an'i Jesoa teny lavidavitra teny mandra-pahatonga tao an-tokotanin'ny tranon'ny mpisorombe, dia niara-nipetraka tamin'ireo mpiandry raharaha ka namindro teo anilan'ny afo.
55 Nokarohin'ireo lohandoha-mpisorona sy ireo rehetra anisan'ny Fitsarana ambony teo amin'ny Jiosy izay mety hiampangana an'i Jesoa hanamelohana Azy ho faty, saingy tsy nahita ry zareo.
56 Eny, maro ireo niampanga lainga an'i Jesoa, nefa tsy nifanaraka ny fiampangana nataony.
57 Dia nisy nitsangana niampanga lainga an'i Jesoa toy izao:
58 Renay ilay io nanao hoe: Horavako ity tempoly nataon-tanan'olombelona ity, ary ao anatin'ny telo andro, dia hanorina hafa tsy nataon-tanan'olombelona Aho.
59 Fa tsy nifanaraka akory ny filazan'ireo mpiampanga na dia tamin'izany aza.
60 Dia nitsangana nankeo afovoan'ny mpivory ny mpisorombe ary nanontany an'i Jesoa hoe: Tsy mamaly akory ve Ianao? Inona no iampangan'ireo Anao?
61 Fa nangina i Jesoa ary tsy namaly akory. Dia nanontany Azy indray ny mpisorombe nanao hoe: Ianao ve no Kristy, Zanak'ilay Andriamanitra ankalazaintsika lalandava?
62 Ka novalian'i Jesoa hoe: Izaho no Izy, ary ho hitanareo ny Zanak'olona mipetraka eo ankavanan'ilay Andriamanitra mahery ary koa tamy eo amin'ny rahon'ny habakabaka.
63 Tamin'izay ny mpisorombe dia nandriatra ny fitafiany sady niteny hoe: Inona indray no ilantsika vavolombelona hiampanga?
64 Renareo teo ny fanevatevany an'Andriamanitra, ka ahoana ianareo amin'izany? Dia samy nanameloka an'i Jesoa izy rehetra ka nilaza fa mendrika Azy ny ho faty.
65 Tamin'ny olona teo dia nisy sasany nandrora an'i Jesoa, nanarona ny tavany, namely totohondry Azy sady nanao taminy hoe: Vinanio hoe! Dia nalain'ny mpiandry raharaha i Jesoa ary nasian'ireo tahamaina.
66 Raha mbola tao ambany tao an-tokotany i Petera, dia avy ny anankiray tamin'ireo vehivavy mpiasan'ny mpisorombe.
67 Nahita an'i Petera namindro teo ravehivavy, dia nijery azy tsara ka nanao hoe: Ianao koa niaraka tamin'ilay Jesoa avy any Nazareta iny?
68 Fa nanda i Petera ka nanao hoe: Tsy fantatro sady tsy azoko izay lazainao. Dia nivoaka ny tokotany izy, ary nisy akoho naneno.
69 Fa nahatazana an'i Petera ilay vehivavy mpiasa, ka nilazany indray ny olona teo hoe: Anisan'ireny koa io rangahy io!
70 Fa mbola nanda indray i Petera. Nony afaka kelikely, dia hoy indray ny olona teo amin'i Petera: Tena anisan'ireny tokoa ianao sady Galileanina rahateo.
71 Fa niozona sy nianiana i Petera ka nanao hoe: Tsy fantatro izany Lehilahy lazainareo izany.
72 Ary niaraka tamin'izay dia nisy akoho naneno fanindroany; ka tsaroan'i Petera ilay tenin'i Jesoa fony Izy nilaza taminy hoe: Raha mbola tsy maneno indroa akory ny akoho, dia handa Ahy intelo ianao. Dia nigogogogo nitomany i Petera.