Lioka

Toko faha-9

51 Nony efa antomotra ny fotoana hanalana an'i Jesoa teto an-tany, dia tapa-kevitra hankany Jerosalema Izy,

52 ka nandefa iraka hialoha Azy. Lasa ireo mpialoha lalana ary niditra tao amin'ny tanana anankiray an-dry zareo Samaritanina, mba hanomana ny fandraisana Azy.

53 Tsy nety nandray an'i Jesoa anefa ny mponina tao, noho Izy hita fa mizotra ho any Jerosalema.

54 Nony nahita izany ry i Jakoba sy i Johany mpianany, dia nanao hoe: Tompo o, sitrakao ve ny hiantsoanay varatra hilatsaka avy any an-danitra handevona azy ireo?

55 Fa nitodika tamin'izy mirahalahy i Jesoa ka nananatra azy mafy.

56 Dia nankany amin'ny tanana hafa i Jesoa sy ny mpianany.

57 Raha mbola nizotra tamin'ny diany i Jesoa sy ny mpianany, dia nisy olona anankiray nilaza tamin'i Jesoa hoe: Hiaraka aminao aho, na aiza na aiza alehanao!

58 Fa hoy i Jesoa taminy: Ny fosa manan-davaka; ny voro-manidina manana ny akany; fa ny Zanak'olona tsy mba manan-trano handriany sy hialany sasatra.

59 Hoy kosa i Jesoa tamin'ny anankiray hafa: Andao hiaraka amiko! Dia izao no navalin'io: Avelao aho aloha, Tompoko, handevina an'i dada!

60 Fa hoy i Jesoa taminy: Avelao izy samy maty no hifandevina, fa ianao kosa mandehana mitory ny Fanjakan'Andriamanitra!

61 Ary hoy ny anankiray hafa indray hoe: Hiaraka aminao aho, Tompoko, saingy avelao aloha hanao veloma ny fianakaviako.

62 Fa hoy i Jesoa taminy: Ny olona efa mitana amin'ny angadin'omby kanefa mbola miherika ihany, dia tsy natao ho an'ny Fanjakan'Andriamanitra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0628