Lioka

Toko faha-8

51 Nony tonga tao an-trano i Jesoa, dia tsy nisy navelany hiara-miditra aminy afa-tsy i Petera sy i Johany ary i Jakoba mbamin'ny ray aman-drenin-drazazavavy.

52 Nitomany sy nandondon-tratra nisaona an-drazazavavy ny olona rehetra teo, ka hoy i Jesoa hoe: Aoka izay ny ranomaso! Tsy maty akory izy fa matory.

53 Dia nihomehezan'ny olona i Jesoa satria fantatr'izy rehetra fa efa maty razazavavy.

54 I Jesoa kosa nandray ny tanan-drazazavavy sady niantso hoe: Razazavavy, mifohaza!

55 Dia nody indray ny ainy ka niarina avy hatrany izy, ary nasain'i Jesoa nomena sakafo.

56 Talanjona tokoa ny ray aman-dreniny nefa nohafaran'i Jesoa tsy hilaza ny zava-nitranga na amin'iza na amin'iza.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0615