Lioka
Toko faha-22
52 Ary izao no tenin'i Jesoa tamin'ny lohandoha-mpisorona sy ny lehiben'ny mpiambina ny tempoly mbamin'ny loholona tonga teo hisambotra Azy: Toy ny hisambotra jiolahy izato fiavinareo mirongo sabatra sy kibay.53 Teo aminareo isan'andro Aho tao an-kianjan'ny tempoly kanefa tsy nikasi-tanana Ahy ianareo; fa izao no ora voatendry ho anareo sy hanamparan'ny maizina ny fahefany.
54 Dia nosamborin-dry zareo i Jesoa ary nentiny ka nampidiriny tao amin'ny tranon'ny mpisorombe. I Petera izany nanjohy lavidavitra teny ihany.
55 Namelona afo teo afovoan-tokotany ny mpiasa ary namindro; dia mba namindro niaraka taminy teo koa i Petera.
56 Teo amin'ny mazavazava izy no nitoetra, hany ka tsikaritry ny vehivavy mpiasa anankiray sy nodinidinihiny ary nataony hoe: Ity rangahy ity koa niaraka taminy!
57 Fa nanda i Petera nanao hoe: Tsy mahalala Azy aho, ramatoa!
58 Nony afaka kelikely, dia nisy lehilahy indray nahatsikaritra azy ka nanao hoe: Ianao koa anisan'ireny! Fa hoy i Petera: Tsy anisany aho, andriamatoa!
59 Ary tokony ho adiny iray taoriana, nisy lehilahy hafa koa nanizingizina hoe: Tena niaraka tamin'io mihitsy ity rangahy ity sady Galileanina rahateo.
60 Fa hoy i Petera: Tsy fantatro izay lazainao, andriamatoa! Niaraka tamin'izay, raha mbola niteny i Petera, dia nisy akoho naneno.
61 Ary nitodika nijery an'i Petera ny Tompo ka tsaroan'i Petera ny tenin'ny Tompo fony Izy nilaza taminy hoe: Alohan'ny maneno akoho anio, dia handa Ahy intelo ianao.
62 Dia lasa nankany ivelany i Petera ka nitomany fatratra.
63 Dia nesoin'ireo mpiambina Azy i Jesoa sady nokapohiny;
64 ary nony avy nosaronany tava, dia nanontaniany hoe: Vinanio hoe izay namely Anao teo?
65 Ary maro koa ny teny hafa nanevatevany Azy.
66 Nony maraina ny andro, dia nivory ny loholom-bahoaka sy ny lohandoha-mpisorona mbamin'ny mpahay lalana; ary nasain-dry zareo nentina i Jesoa hiatrika ny Fitsarana ambony teo anoloany.
67 Ka hoy ireo taminy: Lazao aminay raha Ianao no ilay Mesia! Dia novalian'i Jesoa hoe: Raha hilaza aminareo Aho, tsy hinoanareo akory;
68 raha hanontany Aho, tsy hovalianareo akory.
69 Tsy ho ela intsony anefa ny Zanak'olona dia hipetraka eo ankavanan'ilay Andriamanitra mahery.
70 Ary hoy izy rehetra hoe: Koa Ianao ve izany no ilay Zanak'Andriamanitra? Dia novalian'i Jesoa hoe: Voalazanareo fa Izaho no Izy.
71 Ka hoy ry zareo: Inona indray no ilantsika vavolombelona? Ny tenantsika no efa nandre tamin'ny vavany.