Lioka
Toko voalohany
51 Nanatanterahany asa lehibe ny sandriny mahery; ka ny mpihevi-tena ho ambony nataony mihahaka.52 Ny mpanjakazaka naongany hiala tamin'ny sezafiandrianany; ny tsinontsinona kosa nasandrany.
53 Ny noana novokisany zava-tsoa; ny mpanankarena kosa nalefany nody maina.
54 Niahy ny vahoaka Israely mpanompony Andriamanitra, satria nahatsiaro ny teniny tamin'ny razantsika; dia ny hamindra fo mandrakizay amin'i Abrahama sy ny taranany.
56 Nitoetra tokony ho telo volana tao amin-dry Elizabeta i Maria vao lasa nody.
57 Tonga ny fotoana hahaveloman'i Elizabeta ka tera-dahy izy.
58 Ny mpiara-monina sy ny lafin-kavana dia samy nahare fa nanehoan'ny Tompo hatsaram-po lehibe i Elizabeta ka niara-paly taminy.
59 Nony afaka herinandro, dia tonga indray izy rehetra hamora ny zaza, ary ny anaran-drainy hoe Zakaria no saika hiantsoany azy.
60 Fa niteny ny reniny nanao hoe: Tsy izany, fa hatao hoe Johany izy!
61 Dia hoy ireo taminy: Kanefa ao amin'ny fianakavianao dia tsy misy mihitsy manana anarana hoe Johany!
62 Nanaovan-dry zareo baiko tanana ny rain'ity zaza hahalalana izay anarana tiany homena azy.
63 Ary nitaky fitaovana hanoratana i Zakaria ka nanoratra hoe: I Johany no anarany. Nahagaga azy rehetra izany.
64 Teo no ho eo ihany dia nahay niteny indray i Zakaria, ary nanezaka nidera an'Andriamanitra.
65 Raiki-tahotra avokoa ny mpiara-monina ka niely eran'ny faritra be havoana any Jodea ny resaka momba izany zava-nitranga rehetra izany.
66 Lasa eritreritra daholo ireo nandre ka velom-panontaniana hoe: Hanao ahoana re io zaza io? Ary nomba azy tokoa ny herin'ny Tompo.
67 Feno ny Fanahy Masina i Zakaria, rain'ny zazakely, ka nilaza faminaniana toy izao:
68 Hisaorana anie ny Tompo, Andriamanitr'i Israely, noho Izy namangy sy nanavotra ny vahoakany!
69 Mpamonjy mahery ho antsika no najorony avy amin'ny taranak'i Davida mpanompony,
70 araka ny efa nambarany hatramin'ny fahagola tamin'ny alalan'ireo mpaminany masina:
71 dia Mpamonjy hanafaka antsika amin'ny fahavalontsika sy amin'ny tanan'ireo mpankahala rehetra.
72 Namindra fo tamin'ny razantsika Andriamanitra sady nahatsiaro ilay fanekempihavanana masina
73 mbamin'ilay fianianana izay nataony tamin'i Abrahama razantsika:
74 dia ny hanala antsika amin'ny tanan'ny fahavalontsika, ary ny hamela antsika hanompo Azy tsy amin-tahotra,
75 fa amin-toetra masina sy marina eo anatrehany mandritra ny andro rehetra iainantsika.
76 Ary ianao kosa, anaka, dia hatao hoe mpaminanin'ny Avo indrindra, fa hialoha ny Tompo ianao mba hamboatra ny lalany;
77 ny vahoakany hampahalalainao ny famonjena, ka hahafantatra fa voavela ny helony.
78 Mangoraka sy mamindra fo ilay Andriamanitsika, koa masoandro miposaka avy any ambony no hamangy antsika
79 mba hanazava an'ireo mihitsoka amin'ny maizina sy amin'ny aloky ny fahafatesana, ary mba hitarika ny diantsika hizotra mankany amin'ny fiadanana.
80 Nitombo sy nihanahery ilay zaza, ary nitoetra tany an-taniefitra mandra-pisehony tamin'ny vahoaka Israely.