Lioka
Toko faha-12
51 Heverinareo moa fa tonga eto an-tany Aho mba hampihavana? Tsia, hoy Aho aminareo, fa hampifanohitra.52 Eny, manomboka izao ny olona dimy iray trano dia hifanohitra: ny telo hanohitra ny roa ary ny roa hanohitra ny telo.
53 Hifanohitra ny mpianakavy ka ny ray hanohitra ny zanany lahy, ary ny zanaka lahy hanohitra ny rainy; ny reny hanohitra ny zanany vavy, ary ny zanaka vavy hanohitra ny reniny; ny rafozam-bavy hanohitra ny vinantovaviny, ary ny vinantovavy hanohitra ny rafozam-baviny.
54 Dia hoy i Jesoa tamin'ny vahoaka: Raha vao hitanareo miakatra avy any andrefana ny rahona, dia hoy ianareo hoe: Ho avy ny orana, ary izany tokoa!
55 Ary raha mitsoka avy any atsimo ny rivotra, dia hoy ianareo hoe: Hafana ny andro, ary izany tokoa!
56 Ry mpihatsaravelatsihy, hainareo fantarina ny toetoetry ny tany aman-danitra, ka nahoana no tsy hainareo fantarina kosa izao andro diavintsika izao?
57 Nahoana no tsy ny tenanareo ihany no mpitsara mahita izay rariny sy hitsiny?
58 Dieny mbola miara-dalana hamonjy ny manampahefana ianao sy ilay manana ady aminao, dia ataovy izay hahafahanao aminy; fandrao entiny hanatrika ny mpitsara tokoa ianao, ka ny mpitsara hanolotra anao amin'ny mpamatotra ary ny mpamatotra hampiditra anao am-ponja.
59 Lazaiko aminao fa tsy ho tafavoaka tao ianao mandra-panefanao ny iraimbilanja farany.