Jeremià

Toko faha-51

51 Afa-baraka izahay nandre fandatsana! Rakotry ny henatra ny endrikay fony nidiran'ireo hafa firenena ny Toeramasina tao an-tranon'ny TOMPO.

52 Noho izany, hoy ny teny hentitry ny TOMPO, dia ho avy ny andro hirotsahako an-tsehatra hanafay ireo sarivongan-tsampin'i Babilona. Ho re manerana ny taniny ny tolokon'ireo maratra.

53 Na dia hisondrotra any an-danitra aza i Babilona ka hanao ny fiarovany ho avo tsy azo anihina, dia ny baikoko no hahatraran'ny mpandrava azy hoy ny teny hentitry ny TOMPO.

54 Misy feo miampita avy any Babilona: fandringanana goavana no re avy ao amin'ny taniny.

55 Fa ny TOMPO no mandrava an'i Babilona, sy mampangina ny horakorany. Mamelona akoran'ady ny fahavalo ka toy ny feon'onjan-dranomasina ao anaty kotro-baratra izany.

56 Tonga hanafika an'i Babilona ny mpandrava, ka hanao sambo-belona ireo maherifony, sy hanapotika ny tsipikany. Fa ny TOMPO dia Andriamanitra mamaly ny natao ka mampihatra tokoa ny valifatiny.

57 Homamoiko ireo mpitondra azy sy ny olon-kendriny, ireo governorany sy ny lefiny ary ireo maherifony. Hatory mandrakizay ireny ka tsy hifoha intsony, hoy ny teny hentitr'ilay Mpanjaka, izay antsoina hoe TOMPOn'izao rehetra izao.

58 Dia nampian'ny TOMPOn'izao rehetra izao hoe: "Rava tanteraka ny manda matevin'i Babilona, ary voadoro ny vavahadiny avo; ka dia sahiram-poana ny vahoaka, zavatra ho kilan'ny afo no isasaran'ireo firenena."

59 I Seraia, zanakalahin'i Neria sady zafikelin'i Mahaseia, no lehiben'ny tobin'i Tsedekia mpanjakan'i Joda. Koa ny taona fahefatra nanjakan'i Tsedekia dia nanaraka ny mpanjaka tany Babilona izy. Nosoratan'i Jeremia tamin'ny horonan-taratasy ny loza rehetra izay hamely an'i Babilona, dia ireo fanambarana rehetra momba izany! Dia nanome baiko an'i Seraia i Jeremia hoe:

61 "Rehefa tonga any Babilona ianao, dia imasoy ny hamaky mafy ireo teny rehetra ireo;

62 avy eo dia milaza hoe: Ny tenanao mihitsy, TOMPO o, no niteny taminay fa handringana ity tanana ity ka tsy hisy hitoetra eto intsony na olona na biby fa honenana mandrakizay izy."""

63 Rehefa vitanao ny famakiana ny horonan-taratasy, dia afatory amin'ny vato iray izy, ary atsipazo ao amin'ny ony Eofrata;

64 sady ataovy hoe:"Tahaka an'izao no hilentehan'i Babilona ka tsy hipoirany intsony noho ny loza hataon'ny TOMPO mihatra aminy. " Mifarana eto ny tenin'i Jeremia.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1038