Jôhany
Toko faha-8
51 Lazaiko marina dia marina aminareo fa raha misy olona mitandrina ny teniko, dia tsy ho faty na oviana na oviana izy.52 Dia hoy ny Jiosy taminy: Fantatray ankehitriny fa ondranondranana Ianao! Efa maty i Abrahama sy ireo mpaminanin'Andriamanitra, fa Ianao kosa milaza hoe: Raha misy olona mitandrina ny teniko, dia tsy hanandrana fahafatesana izy na oviana na oviana.
53 Angaha Ianao lehibe noho ny rainay, dia i Abrahama izay efa maty? Ny mpaminany koa efa maty, manao Anao ho iza moa Ianao?
54 Fa novalian'i Jesoa hoe: Raha manome voninahitra ny tenako Aho, dia tsinontsinona ny voninahitro; ny Raiko, Izay lazainareo fa Andriamanitrareo, no manome voninahitra Ahy!
55 Saingy tsy nahafantatra Azy ianareo; fa Izaho no mahalala Azy, ary raha milaza ho mahalala Azy Aho, dia ho mpandainga tahaka anareo. Eny, mahalala Azy Aho sady mitandrina ny teniny.
56 Heni-karavoana i Abrahama rainareo nanantena hahita ny androko; ary nahita izy ka faly.
57 Dia hoy ny Jiosy taminy: Tsy mbola dimampolo taona akory Ianao, ka dia hoe nahita Anao i Abrahama?
58 Fa novalian'i Jesoa hoe: Lazaiko marina dia marina aminareo fa tsy mbola ary i Abrahama, dia Izaho no Ilay hatrizay ka ho mandrakizay!
59 Tamin'izay dia naka vato hitorahana Azy ny olona; fa i Jesoa kosa niery ka lasa nivoaka ny kianjan'ny tempoly.