Jôhany
Toko faha-7
1 Taorian'izany i Jesoa dia nitety an'i Galilea fa tsy te hitety an'i Jodea, satria notadiavin'ny manampahefana jiosy hovonoina.2 Efa akaiky kosa ny fankalazana fanaon'ny Jiosy, dia ny fankalazana ny Tranolay;
3 ka hoy ny rahalahin'i Jesoa taminy: Miala eto Ianao ka mandehana any Jodea, mba ho hitan'ny mpianatrao koa ireo asa ataonao.
4 Fa tsy misy olona manafina izay ataony raha mitady ho fanta-bahoaka. Raha manao ireny zavatra ireny Ianao, dia misehoa amin'izao tontolo izao.
5 Fa na dia ny rahalahiny aza tsy nino Azy;
6 ka hoy i Jesoa taminy: Tsy mbola migadona ny fotoanandroko, fa ny fotoanandro dia mety lalandava ho anareo.
7 Tsy afa-mankahala anareo izao tontolo izao; fa Izaho no ankahalainy, satria mijoro ho vavolombelona manambara fa ratsy ny asany.
8 Miakara any amin'ny fankalazana ianareo, fa Izaho tsy mbola miakatra any amin'izany fankalazana izany, satria tsy mbola feno ny fotoanandroko.
9 Nony avy nilaza izany i Jesoa, dia nijanona tao Galilea ihany.
10 Rehefa lasa niakatra any amin'io fankalazana io ny rahalahiny, dia niakatra koa i Jesoa, nefa tsy mba nisehoseho fa toa niafinafina.
11 Nandritra ny fankalazana dia nitady Azy ny manampahefana jiosy ary fatra-panontany hoe: Aiza Izy?
12 Ary nitakoritsika be ny amin'i Jesoa ny vahoaka; ny sasany nanao hoe: Tsara fanahy Izy; ny sasany kosa nanao hoe: Tsy izany, fa mamitaka ny vahoaka Izy.
13 Saingy tsy nisy niresaka Azy an-karihary noho ny fahatahorana ny manampahefana jiosy.
14 Teo antenatenan'ny fankalazana, dia niakatra tao an-kianjan'ny tempoly i Jesoa ka nampianatra.
15 Dia gaga ny manampahefana jiosy ka vaky vava hoe: Ahoana no ahaizan'ilay io Soratra Masina, nefa tsy mba nianatra Izy?
16 Fa novalian'i Jesoa hoe: Tsy Ahy ny fampianarako, fa an'Ilay naniraka Ahy.
17 Raha misy olona te hanao ny sitrapon'Andriamanitra, dia hahalala ny amin'ny fampianarako izy, na zavatra avy amin'Andriamanitra izany na zavatra teneniko avy amiko fotsiny.
18 Izay miteny zavatra avy amin'ny tenany fotsiny dia mitady ny voninahitra ho an'ny tenany; fa izay mitady ny voninahitr'ilay naniraka azy no azo antoka sady tsy misy fitaka ao aminy.
19 Moa tsy nomen'i Mosesy anareo ve ny lalana? Kanefa tsy misy aminareo manatanteraka ny lalana! Nahoana Aho no tadiavinareo hovonoina?
20 Dia hoy ny vahoaka taminy: Ondranondranana Ianao! Iza no mitady hamono Anao?
21 Ka novalian'i Jesoa hoe: Asa iray monja no nataoko, dia gaga ianareo rehetra!
22 Noho i Mosesy nanome didy anareo hanao famorana (kanefa tsy i Mosesy no nipoirany fa ny razanareo), dia mamora olona ihany ianareo na amin'ny andro sabata aza.
23 Koa raha andro sabata no amorana olona mba tsy hahafoana ny lalanan'i Mosesy, dia tezitra amiko ve ianareo raha misy lehilahy anankiray nataoko sitrana soa aman-tsara ny tenany manontolo tamin'ny andro sabata?
24 Aza dia mitsara araka ny ivelany fa mitsara araka ny rariny.
25 Tamin'izay ny mponina sasany tao Jerosalema nanao hoe: Tsy Izy io ve Ilay tadiavin-dry zareo hovonoina?
26 Indro Izy miteny an-karihary, kanefa ry zareo tsy mandrara Azy akory! Sao dia efa azon'ireo filohantsika antoka fa Izy no ilay Mesia?
27 Ilay io anefa dia fantatsika ny ipoirany; fa ny Mesia, rehefa tonga, dia tsy misy mahalala ny ipoirany.
28 Koa raha nampianatra tao an-kianjan'ny tempoly i Jesoa, dia niantso mafy hoe: Izaho ve dia fantatrareo tokoa, ary fantatrareo tokoa ve ny ipoirako? Tsy avy amin'ny tenako no nahatongavako; fa azo antoka Ilay naniraka Ahy, saingy ianareo tsy mahalala Azy.
29 Izaho no mahalala Azy, satria avy any aminy no ipoirako sady Izy no naniraka Ahy.
30 Tamin'izay dia nitady hisambotra Azy ny olona, kanefa tsy nisy naninji-tanana taminy satria tsy mbola tonga ny fotoanandron'i Jesoa.
31 Maro kosa tamin'ny vahoaka no nino Azy sady niteny hoe: Rehefa tonga ny Mesia, moa ve hanao famantarana maro mihoatra ny nataon'Izy io?
32 Ren'ny Farisianina ny vahoaka mitakoritsika ny amin'i Jesoa toy izany; ka naniraka mpiandry raharaha hisambotra Azy ny lohandoha-mpisorona sy ny Farisianina.
33 Dia hoy i Jesoa: Kely foana sisa no itoerako aminareo, dia hankany amin'Ilay naniraka Ahy aho.
34 Hitady Ahy ianareo fa tsy hahita, satria ny toerana hisy Ahy tsy azonareo aleha!
35 Tamin'izay ny manampahefana jiosy dia nifampilaza hoe: Aiza no toerana halehan'ilay io no tsy ho hitantsika Izy? Hankany amin'ireo Jiosy miely any amin'ny Grika ve Izy ka hampianatra ny Grika?
36 Inona no hevitr'ity teny voalazany hoe: Hitady Ahy ianareo fa tsy hahita, sady ny toerana hisy Ahy tsy azonareo aleha?
37 Tamin'ilay andro lehibe famaranana ny fankalazana, dia nijoro i Jesoa ka niantso mafy hoe: Raha misy olona mangetaheta, aoka izy hanatona Ahy;
38 ary izay mino Ahy, aoka hisotro! Fa araka ny voalazan'ny Soratra Masina, dia hisy onin-dranovelona hiboiboika avy ao am-pony!
39 Ny Fanahy Masina efa horaisin'ireo nino an'i Jesoa no voalazany tamin'izany; tsy mbola nomena manko ny Fanahy Masina, satria tsy mbola nomem-boninahitra i Jesoa.
40 Ny sasany tamin'ny vahoaka, nony nandre ireo teny ireo, dia nanao hoe: Ity tokoa no ilay Mpaminany!
41 Ny sasany nanao hoe: Ity no ilay Mesia! Ny sasany kosa nanao hoe: Fa angaha avy any Galilea no iavian'ny Mesia?
42 Tsy efa voalazan'ny Soratra Masina ve fa avy amin'ny taranak'i Davida sady avy ao Betlehema tanana nonenan'i Davida no iavian'ny Mesia?
43 Koa nisara-tsaina ny amin'i Jesoa ny vahoaka;
44 ny sasany tamin'izy ireo dia nitady hisambotra Azy, kanefa tsy nisy naninji-tanana taminy.
45 Dia niverina tany amin'ireo lohandoha-mpisorona sy ireo Farisianina ny mpiandry raharaha ka nilazan-dry zareo hoe: Ahoana no tsy nitondranareo Azy?
46 Dia novalian'ny mpiandry raharaha hoe: Tsy mbola nisy olona niteny tahaka izany!
47 Ka hoy ny Farisianina taminy: Ianareo koa angaha voafitaka?
48 Moa ve misy anankiray amin'ireo filohantsika na anankiray amin'ireo Farisianina mba nino Azy?
49 Saingy ireto vahoaka tsy mahalala ny lalanan'i Mosesy no olona voaozona!
50 Fa i Nikodema, ilay efa nanatona an'i Jesoa teo aloha sady anisan'ny Farisianina, dia niteny tamin-dry zareo hoe: