Jôhany
Toko faha-11
51 Tsy avy aminy anefa no nitenenany an'izany, fa noho izy mpisorombe tamin'io taona io no naminaniany fa i Jesoa dia ho faty ho an'ny firenena jiosy;52 ary tsy ho an'ny firenena jiosy ihany fa mba hanangona ho iray ny zanak'Andriamanitra efa niely.
53 Hatramin'io andro io dia tapa-kevitra ny hamono an'i Jesoa ry zareo.
54 Koa tsy nandehandeha an-karihary teo amin'ny Jiosy intsony i Jesoa, fa niala teo nankany amin'ny faritany akaikin'ny taniefitra, tany amin'ny tanana atao hoe Efraima, ary nitoetra tany niaraka tamin'ny mpianany.
55 Efa akaiky tamin'izay ny Paska fankalazan'ny Jiosy, ka maro ny olona avy any ambanivohitra no niakatra tany Jerosalema alohan'ny Paska mba handio tena.
56 Dia nitady an'i Jesoa ny olona, ka raha nijanona teo an-kianjan'ny tempoly dia nifampiresaka hoe: Ahoana no hevitrareo? Ho tonga ve Izy sa tsy ho tonga amin'ny fankalazana ny Paska?
57 Ny lohandoha-mpisorona sy ny Farisianina kosa efa nandidy fa raha misy olona nahalala izay itoeran'i Jesoa, dia tsy maintsy mampandre mba hisamborana Azy.