Genesỳ
Toko faha-41
51 Nantsoin'i Josefa hoe Manase ny lahimatoa, fa hoy izy hoe Nampanadinoin'Andriamanitra ahy ny fahoriako rehetra mbamin'izay rehetra any an-tranon'ny raiko.52 Nantsoiny hoe Efraima kosa ny faharoa, fa hoy izy hoe: Andriamanitra efa nampahamaro anaka ahy teto amin'ity tany nijalijaliako ity.
53 Nifarana ny fito taona zina tany Ejipta;
54 ary nanomboka kosa ny fito taona mosarena, araka izay efa voalazan'i Josefa. Nihatra tamin'ny tany rehetra ny mosary; fa nanerana an'i Ejipta kosa nisy tahirim-bokatra.
55 Nony nanomboka mosarena ny tany Ejipta manontolo, dia nitaraina sakafo tany amin'ny Farao ny vahoaka; ka hoy ny Farao tamin'ny Ejiptianina rehetra: Mankanesa any amin'i Josefa, ka ataovy izay holazainy aminareo.
56 Ary rehefa nanenika an'i Ejipta manontolo ny mosary, dia nasain'i Josefa novohana ny fitahirizam-bokatra mba hivarotana vary amin'ny Ejiptianina, satria namely mafy ny mosary manerana an'i Ejipta.
57 Tonga tany Ejipta koa ireo avy any amin'ny tany hafa rehetra mba hividy vary amin'i Josefa, satria efa namely mafy ny mosary manerana ny tany.