Genesỳ

Toko faha-24

51 Indro i Rebeka eo anoloanao, ento miaraka aminao izy ary aoka ho vadin'ny zanakalahin'ny tomponao, araka izay nambaran'ny TOMPO.

52 Rehefa nandre izany teny izany ilay mpanompon'i Abrahama, dia niankohoka tamin'ny tany hisaotra ny TOMPO.

53 Avy eo dia namoaka firavaka volafotsy sy volamena ary fitafiana izy ka nomeny an'i Rebeka; nomeny zavatra sarobidy maro koa ny anadahiny sy ny reniny.

54 Izay vao nihinana sy nisotro ilay mpanompon'i Abrahama sy ireo olona niaraka taminy; avy teo dia lasa natory. Ny ampitso maraina, rehefa nifoha izy ireo, dia hoy ilay mpanompon'i Abrahama hoe: -Alefaso ary aho hiverina any amin'ny tompoko.

55 Fa namaly kosa ny anadahin-drazazavavy sy ny reniny hoe: -Aoka hipetraka hiaraka aminay kelikely tokony ho folo andro aloha razazavavy, vao mandeha.

56 Fa namaly azy ireo indray ilay mpanompo hoe: -Aza tananareo aho, fa ny TOMPO efa nanambina ny diako; alefaso aho hiverina ho any amin'ny tompoko.

57 Hoy kosa ireo hoe: -Aoka ary hantsoinay razazavavy, aoka hanontaniana izay heviny!

58 Dia nantsoin'ireo i Rebeka ka nanontaniany hoe: -Moa handeha hiaraka amin'io lehilahy io ve ianao? Ary hoy i Rebeka hoe: -Eny, handeha aho.

59 Koa navelan'ireo handeha i Rebeka sy ny mpitaiza azy hiaraka amin'ilay mpanompon'i Abrahama sy ny olony.

60 Nitsodrano an'i Rebeka ireo ka nanao taminy hoe: -Ho tonga renin'ny olona an'alinalina anie ianao, rahavana, ary ny taranakao anie hahazo ny tananan'izay mankahala azy!

61 Dia niainga i Rebeka sy ireo mpanompovaviny ka nitaingin-drameva, ary lasa nandeha niaraka tamin'ilay mpanompon'i Abrahama.

62 I Itsehaka kosa niala tao amin'ny fantsakan'i Lahay-Roy, ka nonina tao amin'ny faritany atsimo.

63 Indray hariva raha nivoaka hitsangantsangana teny an-tsaha izy, dia nanopy maso ka nahita rameva nanatona.

64 Rehefa nahatazana an'i Itsehaka i Rebeka, dia nidina niala tamin'ny rameva,

65 ary nanontany ilay mpanompo hoe: -Iza moa io lehilahy mandeha ety an-tsaha avy mitsena antsika io? Ka hoy ilay mpanompo hoe: -Io no tompoko. Dia noraisin'i Rebeka ny voaly, ka nisaronany tarehy.

66 Notantarain'ilay mpanompo an'i Itsehaka avokoa ny zavatra rehetra izay nataony.

67 Avy eo dia nampandrosoin'i Itsehaka tao an-dain'i Sara reniny i Rebeka, ka nalainy ho vady sy notiaviny; dia nampionona an'i Itsehaka izany taorian'ny nahafatesan-dreniny.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0652