Ezekiela
Toko faha-16
51 Ary i Samaria ihany koa dia tsy nahavita ny antsasaky ny fahotana nataonao akory! Maharikoriko lavitra noho izay vitany no nataonao. Koa i Sodoma sy i Samaria rahavavinao dia toa tsy manan-tsiny raha ampitahaina aminao!52 Koa zakao ny fahafaham-barakanao fa nanamarina ireo rahavavinao ianao tamin'ny nanaovanao fahotana maharikoriko kokoa noho ny azy, ka toa miseho ho marina eo anatrehanao izy izao. Mba menatra kosa ianao ka zakao ny fahafaham-barakanao noho ny nampisehoanao ireo rahavavinao ho toa marina!
53 Hamboariko ireo tanana ireo: haveriko amin'ny laoniny ny fiainana ao Sodoma sy ireo zana-bohiny ary ny ao Samaria mbamin'ny zana-bohiny; ary haveriko amin'ny laoniny tahaka azy koa ianao eo afovoan'ireo.
54 Hionona ireo rahavavinao raha mahita anao menatra sy afa-baraka tamin'izay rehetra nataonao.
55 Hiverina amin'ny laoniny taloha i Sodoma sy i Samaria mbamin'ireo zana-bohiny; ary ho tahaka izany koa ianao sy ireo zana-bohitrao.
56 Tamin'ny andro mbola nireharehanao dia fanarabiana no niresahanao an'i Sodoma rahavavinao.
57 Talohan'ny nisehoan'ny faharatsianao an-karihary izany. Anjaranao kosa izao no latsain'ireo tanana edomita sy ny zana-bohitra rehetra manodidina ary vingavingain'ireo tanana filistinina etsy sy eroa.
58 Izany no hizakanao ny vokatry ny fitondrantenanao tsivalahara sy maharikoriko. Teny hentitra avy amiko TOMPO izany.
59 "Izao manko no lazain'ny TOMPO ANDRIANANAHARY: Tsy noraharahainao ny fianianana nataonao fa nivadika tamin'ny fanekem-pihavanako ianao; koa araka izany no hataoko aminao.
60 Izaho anefa tsy hivadika amin'ny fanekem-pihavanana izay nataoko taminao tamin'ny andron'ny fahatanoranao fa hanova azy ho fanekem-pihavanana maharitra mandrakizay.
61 Hahatsiaro ny fitondrantenanao ianao ka ho menatra rehefa mahita indray ireo zokinao vavy sy zandrinao vavy; fa hatolotro anao ho toy ny zanakavavy ireo na dia tsy anisan'ny zavatra nanaovako fanekem-pihavanana taminao aza izany.
62 Hohavaoziko ny fanekem-pihavanako aminao, ka dia hoekenao fa Izaho no TOMPO.
63 Amin'izay dia hahatsiaro ny lasa ianao ka ho menatra tsy hahateny, fa Izaho kosa hamela anao amin'izay ratsy rehetra nataonao. Teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany. "