Ezekiela

Toko faha-16

1 Ary nisy indray tenin'ny TOMPO tamiko nanao hoe:

2 "Ry ilay taranak'olombelona, ampahafantaro an'i Jerosalema fa maharikoriko loatra ny fitondrantenany.

3 Ambarao aminy fa izao no lazain'ny TOMPO ANDRIANANAHARY: I Kanahana no tanin'ny razambenao sy tany nahaterahanao. Amorita ny rainao ary Hetita ny reninao.

4 Tamin'ny andro nahaterahanao dia tsy nisy olona nanapaka ny tadim-poitranao akory sady tsy nisy nampandro anao tamin'ny rano; tsy nohosorana sira na nohodidinina lamban-jaza ianao.

5 Tsy nisy olona niantra na nangoraka mba hikarakara anao. Fa naharikoriko azy ianao ka natsipiny hitanjaka teo amin'ny tany raha vao teraka.

6 Nandalo teo anilanao Aho ka nahita anao nihosina tao amin'ny ranao. Koa nilaza taminao Aho fa tsy maintsy velona ianao na dia mihosin-dra aza; eny, tsy maintsy velona ianao, hoy Aho taminao.

7 Dia nampitomboiko toy ny zava-maniry eny an-tsaha ianao. Nihalehibe ianao sady nivelatra ka tonga tsara tarehy ery: naniry nono sady naniry volo ianao, nefa mbola nitanjaka sy niboridana.

8 Nandalo teo anilanao indray Aho, ka hitako fa tonga amin'ny taonan'ny fitiavana ianao. Koa narakotro anao ny lambako mba hanarona ny fitanjahanao. Nianiana Aho fa tsy hivadika aminao sady nanao fanekem-pihavanana taminao,ka Ahy ianao. Teny hentitra avy amikoTOMPO ANDRIANANAHARY izany.

9 Nampandroiko tamin'ny rano ianao hanadiovana ny ra teny aminao sady nohosorako ilo manitra."

10 Nomeko fitafiana vita peta-kofehy sy kapa hoditra tsara ary fehikibo rongony fotsy sy lamba landy ianao.

11 Noravahako firavaka ianao ka nasiako haba ny hato-tananao ary vakana ny vozonao;

12 nametahako kavina ny oronao sy ny sofinao sady nasiako satroboninahitra tsara tarehy ny lohanao.

13 Volafotsy sy volamena ny firavakao, rongony sy landy ary lamba vita petakofehy ny fitafianao. Koba tsara sy tantely ary menaka oliva no sakafonao ka tonga tsara tarehy indrindra ianao ary sahaza ny ho mpanjakavavy.

14 Niely eran'izao tontolo izao ny lazanao noho ny hatsaran-tarehinao, fa tena kanto ianao satria nohaingoiko fatratra. Teny hentitra avy amiko TOMPO ANDRIANANAHARY izany."

15 "Kanjo niantehitra tamin'ny hatsaran-tarehinao ianao ka nanararaotra ny lazanao mba hijangajangana ary nanaram-po nijangajanga tamin'izay rehetra nandalo.

16 Nofidinao ireo fitafiana marevaka sasany mba handravahanao ireo toeram-panasinanao, dia nijangajanga teo amboniny ianao. Zavatra tsy tokony hitranga na hisy akory izany.

17 Nalainao ny firavaka volamena sy volafotsy izay nomeko anao ka nampiasainao hanamboarana sampy miendri-dehilahy, dia nanaram-po nijangajanga taminy ianao.

18 Norakofanao ireo fitafiana vita petakofehy izy, dia narosonao teo anatrehany ny menaka sy ny zava-manitra izay nomeko anao.

19 Nataonao fanatitra taminy mba ho hanitra ankasitrahiny ny sakafo rehetra izay nomeko anao, dia ny koba tsara indrindra sy ny menaka ary ny tantely izay nafahako anao. Teny hentitra avy amiko TOMPO ANDRIANANAHARY izany.

20 Nalainao koa ireo zanakao lahy sy vavy izay naterakao ho Ahy ka nataonao sorona taminy. Tsy ampy anao angaha ny fijangajangana?

21 Fa tsy maintsy novonoinao ho faty mba hatolotra ny sampy ny zanako!

22 Nandritra izany fiainanao nanaram-po sy nankaloiloy izany dia tsy mba nahatsiaro akory ny fahazazanao ianao, fony ianao nitanjaka sy niboridana sady nihosina tamin'ny ranao.

23 Izaho TOMPO ANDRIANANAHARY dia manao teny hentitra hoe: Lozanao, lozanao, fa rehefa vitanao izany ratsy rehetra izany,"

24 dia nanorenanao lampihazo sy nanaovanao toeram-panasinana koa teny amin'ny kianja malalaka rehetra teny.

25 Isaky ny vava lalana dia nanorenanao toeram-panasinana; ary nandoto ny hatsaran-tarehinao teo ianao fa vao mainka nijangajanga bebe kokoa tamin'izay rehetra nandalo.

26 Nijangajanga tamin'ny Ejiptianina nofosana mpifanila aminao ianao ary nampisafoaka Ahy tamin'ny asam-pijangajangana maro.

27 Koa nanampatra ny heriko hamelezana anao Aho: notapahiko ny sakafonao sady natolotro hiaranan'ny fahavalonao ianao , dia ireo tanana filistinina izay menatra noho ny fitondrantenanao tsy mendrika.

28 Saingy tsy afa-po ny filanao fa nijangajanga tamin'i Asiria koa ianao. Kanefa mbola tsy afa-po ihany ianao.

29 Nanao fijangajangana maro tany amin'ny tanin'ny Babilonianina ianao, dia tamin'ireo mpivarotra; nefa mbola tsy nahafa-po anao izany.

30 Maimay ery ny fonao raha nanao ireny zavatra isan-karazany ireny, tahaka ny fanaon'ireo vehivavy janga tsivalahara.Teny hentitra avy amiko TOMPO ANDRIANANAHARY izany.

31 Nanorina lampihazo isaky ny vavalalana ianao sy nanao toeram-panasinana teny amin'ny kianja malalaka rehetra, nefa tsy nitaky tambiny akory tahaka ny vehivavy janga!

32 Ianao dia mitovy amin'ny vehivavy mpanitsakitsa-tokantrano izay tsy tia vady fa mitady ny an'ny hafa.

33 Ny vehivavy janga dia mila tambiny fa ianao kosa manome tambiny ho an'ireo lehilahinao; eny, nandoa vola taminy ianao mba hiaviany avy eny amin'ny manodidina handry aminao.

34 Hafa noho ireo vehivavy janga ianao raha mijangajanga, satria tsy mba notadiavina na nomena tambiny, fa ianao indray no mandoa vola; ka dia izany mihitsy no maha hafa anao.

35 "Noho izany, ry Jerosalema janga, henoy ny tenin'ny TOMPO.

36 Fa izao no lazain'ny TOMPO ANDRIANANAHARY: Nahanjahanjanao sy nasehonao tokoa ny fitanjahanao fony ianao nijangajanga tamin'ireo lehilahinao, dia ireo sampinao rehetra maharikoriko; eny, namono ho faty ny zanakao aza ianao ka nanao sorona azy tamin'ireo sampinao.

37 Noho izany, ho voriko mba hamely anao ireo lehilahinao rehetra izay nankamamy anao, na izay tianao na izay halanao. Rehefa vory avy amin'ny manodidina ireo, dia hasehoko azy ny fitanjahanao, ka ho hitany avokoa izany.

38 Hampihariko aminao ny sazy natokana ho an'ny vehivavy manitsakitsa-tokantrano sy mahafaty olona. Hataoko mihosin-dra ianao satria hampiharako ny fahatezerako sy ny hasarotam-piaroko.

39 Hatolotro ho eo an-tanan'ireo lehilahinao ianao, ka ho ravany ny lampihazonao ary harodany ny toeram-panasinanao; hendahany ny fitafianao, ary hesoriny ny firavakao soa ka havelany hitanjaka sy hiboridana ianao.

40 Avy eo dia hisy vahoaka hampirisihiny hikomy aminao ka hitora-bato anao sy hitetitetika anao amin'ny sabatra,

41 ary handoro ny tranonao. Hotanterahiny eo imason'ny vehivavy marobe ny didim-pitsarana famaizana anao. Ho faranako hatreo ny fiainam-pijangajanganao ka tsy handoa tamby amin'ny lehilahy intsony ianao.

42 Hanamparako ny fahatezerako ianao ambara-pahafaka ny hasarotam-piaroko; amin'izay vao hionona Aho ka tsy hisafoaka intsony.

43 Satria tsy nahatsiaro izay vitako taminao fony fahazaza ianao fa nampahatezitra Ahy tamin'ireo ratsy rehetra ireo, dia hatambesatro aminao ny vokatry ny fitondrantenanao! Teny hentitra avy amiko TOMPO ANDRIANANAHARY izany. Moa tsy nanao izany toetra tsivalahara izany ve ianao ho fanampin'ny fanompoan-tsampy rehetra vitanao?"

44 Ry Jerosalema, hamely anao ny mpanao ohabolana rehetra ka hiteny hoe: Manahaka an-dreniny ihany ny zanany vavy."

45 Hay tokoa moa ianao no zanakavavin-dreninao, dia ilay vehivavy nankahala ny vady aman-janany. Mitovy amin'ireo rahavavinao izay nankahala ny vady aman-janany ianao. Hetita ny reninareo ary Amorita ny rainareo.

46 I Samaria any avaratra mbamin'ireo zana-bohiny no zokinao vavy, ary i Sodoma ao atsimo mbamin'ireo zana-bohiny no zandrinao vavy.

47 Tsy nionona fotsiny tamin'ny fakana tahaka ny fitondrantenany sy ny fomba maharikoriko nataony ianao, fa kely ihany raha izany! Saingy ratsy lavitra noho ny azy ny fitondrantenanao manontolo.

48 Velona IzahoTOMPO ANDRIANANAHARY ka manao teny hentitra sy mianiana fa i Sodoma rahavavinao sy ireo zana-bohiny dia tsy mbola nanao ratsy tahaka anao sy ireo zana-bohitrao.

49 Ireto monja no hany fahadisoany: niaina tamin'ny avonavona sy ny fihinanam-be ary ny toetra bonaika tsy miraika izy fa tsy namonjy ny mahantra sy ny fadiranovana.

50 Niavonavona sy nanao zavatra maharikoriko teo anatrehako izy; ka nofoanako tsy ho eto ambonin'ny tany araka ny fantatrao.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0591