Deoterônômy
Toko faha-28
51 hihinana ny vokatry ny fiompianareo sy ny vokatry ny taninareo, mandra-paharinganareo. Tsy havelany ho anareo na vary, na divay, na ny zanak'omby sy ondry aman'osinareo, mandra-pahafongony anareo.52 Hataony fahirano ianareo, any amin'ny tanana rehetra misy anareo eran'ny taninareo, mandra-pandravany ny manda avo sy mafy izay itokianareo; eny, hataony fahirano ianareo, any amin'ny tanana rehetra misy anareo, eran'ny tany izay omen'ny TOMPO Andriamanitrareo anareo.
53 Mandritra izany fahirano izany, rehefa hanery mafy anareo ny fahavalonareo, dia ny zanakareo no hohaninareo; eny, ny nofon'ny zanakalahy sy zanakavavy izay omen'ny TOMPO Andriamanitrareo anareo no hataonareo sakafo.
54 Ny lehilahy faran'izay miangentsana sy miaingitraingitra eo aminareo, dia ho ratsy fijery ny rahalahiny sy ny vady andefimandriny mbamin'ny zanany sisa;
55 tsy misy homeny amin'ny mofon-janany izay hohaniny manko ireo havany akaiky ireo; sao manko tsy hisy sakafo tavela ho an'ny tenany intsony mandritra ny fahirano, rehefa hanery mafy anareo ny fahavalonareo any amin'ny tanana rehetra misy anareo any.
56 Ny vehivavy, faran'izay miangentsana sy miaingitraingitra eo aminareo, ka tsy mbola nanandrana nandia tany, dia ho ratsy fijery ny vady andefimandriny sy ny zanakalahiny ary ny zanakavaviny;
57 eny, na hoe ny zazakely vao natera-dravehivavy sy ny tavony afaka taminy aza, dia hataony ratsy fijery; hohaniny mangingina manko ireny fa tsy manana na inona hatao sakafo izy mandritra izany fahirano izany, rehefa hanery mafy anareo ny fahavalonareo any amin'ny tananareo any.
58 Imasoy hotanterahina ny didy rehetra amin'ity Lalana ity, dia ny didy rehetra voasoratra ato amin'ity boky ity; ary hajao ilay mitondra ny anarana be voninahitra sady mendri-kohajaina hoe Ny TOMPO Andriamanitrareo. Raha tsy izany no tandrovinareo,
59 dia fery mahatsiravina, eny fery sy aretina samy mazana sy maharitra ela, no hataon'ny TOMPO mianjady aminareo sy amin'ny taranakareo.
60 Hataony mifotitra aminareo ny aretina rehetra nihatra tamin'ny Ejiptianina, aretina izay natahoranareo kanefa dia hiraikitra aminareo.
61 Na ny aretina sy fery isan-karazany tsy voasoratra amin'ity bokin'ny Lalana ity aza, dia hoentin'ny TOMPO hamelezana anareo mandra-paharinganareo.
62 Iny ianareo efa maro toy ny kintana eny amin'ny habakabaka iny, dia olona vitsy no ho sisa tavela aminareo, satria ianareo tsy nanaiky ny TOMPO Andriamanitrareo.
63 Araka izay nifalian'ny TOMPO hahasoa sy hahamaro anareo no hifaliany handringana sy handrava anareo; ka hofongorana ianareo tsy ho eo amin'ny tany izay efa hidiranareo mba halainareo ho fananana.
64 Dia haelin'ny TOMPO any amin'ny firenena rehetra hatrany amin'ny faran'ny tany ianareo; ary any no hanompoanareo andriamani-kafa vato aman-kazo voasokitra, andriamani-kafa izay tsy fantatry ny tenanareo na ny razambenareo akory.
65 Any amin'ireo firenena ireo dia tsy hisy hilaminanareo ary tsy hisy toerana hahazoanareo miorim-ponenana; fa any kosa dia fo manahy sy maso jambena ary fanahy kivy no homen'ny TOMPO anareo.
66 Ny ainareo hihevingevina eo anatrehanareo; dia hatahotra andro aman'alina ianareo ka tsy hanampo izay ho velona intsony.
67 Maraina ianareo hanao hoe: Malakia hariva!, hariva ianareo hanao hoe: Malakia maraina! noho ny tahotra hangeja ny fonareo ary noho ny zavatra ho hitan'ny masonareo.
68 Dia hoentin'ny TOMPO hiverina an-tsambo any Ejipta ianareo ka hihazo ny lalana efa nolazaiko taminareo hoe tsy ho hitanareo intsony; any ianareo, na lahy na vavy, dia hivaro-tena ho mpanompon'ny fahavalonareo, nefa tsy hisy mpividy.
69 Ireto kosa no fepetra momba ny fanekempihavanana nodidian'ny TOMPO hataon'i Mosesy amin'ny Israelita tany Moaba. Izao fanekempihavanana izao dia ankoatra ilay natao tany amin'ny tendrombohitra Horeba.