Daniela Grika
Toko faha-3
74 Aoka ny tany hisaotra ny TOMPO; aoka izy hidera sy hankalaza Azy mandrakizay!75 Misaora ny TOMPO, ianareo tendrombohitra sy havoana; derao Izy ary ankalazao mandrakizay.
76 Misaora ny TOMPO, ianareo rehetra zava-maniry amin'ny tany; derao Izy ary ankalazao mandrakizay.
77 Misaora ny TOMPO, ianareo ranomasina sy ony; derao Izy ary ankalazao mandrakizay.
78 Misaora ny TOMPO, ianareo loharano; derao Izy ary ankalazao mandrakizay.
79 Misaora ny TOMPO, ianareo hazandrano na vaventy na madinika; derao Izy ary ankalazao mandrakizay.
80 Misaora ny TOMPO, ianareo voro-manidina; derao Izy ary ankalazao mandrakizay.
81 Misaora ny TOMPO, ianareo biby dia sy fiompy ; derao Izy ary ankalazao mandrakizay.
82 Misaora ny TOMPO, ianareo zanak'olombelona; derao Izy ary ankalazao mandrakizay.
83 Misaora ny TOMPO, ianareo Israelita; derao Izy ary ankalazao mandrakizay.
84 Misaora ny TOMPO, ianareo mpisorony; derao Izy ary ankalazao mandrakizay.
85 Misaora ny TOMPO, ianareo mpanompony; derao Izy ary ankalazao mandrakizay.
86 Misaora ny TOMPO, ianareo fanahy aman-tsain'olo-marina; derao Izy ary ankalazao mandrakizay.
87 Misaora ny TOMPO, ianareo masina sy mietry ao am-po; derao Izy ary ankalazao mandrakizay.
88 Misaora ny TOMPO isika, ry i Hanania sy i Hazaria ary i Misaela; derao Izy ary ankalazao mandrakizay, fa nafahany tamin'ny toeran'ny maty isika sy novonjeny tamin'ny vahohon'ny fahafatesana ary nesoriny teo anivon'ny fatana mivaivay sy notsoahany teo afovoan'ny afo.
89 Misaora ny TOMPO fa tsara Izy ary maharitra mandrakizay ny fitiavany.
90 Misaora ny TOMPO Andriamanitry ny andriamanitra, ianareo rehetra mpivavaka aminy; derao Izy ary ankalazao fa maharitra mandrakizay ny fitiavany. "