Daniela Grika
Toko faha-3
1 Ary izy telo lahy, i Hanania sy i Hazaria ary i Misaela , dia nandehandeha tao anaty lelafo nanao hira fiderana sy fisaorana ny TOMPO Andriamanitra.25 Raha mbola nitsangana tao afovoan'ny afo i Hazaria, dia nanao izao vavaka izao:
26 "Ry TOMPO Andriamanitry ny razanay o, Hisaorana sy hoderaina anie Ianao, ary homem-boninahitra mandrakizay anie ny anaranao!
27 Satria marina Ianao amin'izay rehetra nataonao. Marina avokoa ny asanao, mahitsy ny lalanao ary ara-drariny ny fitsaranao.
28 Eny, didim-pitsarana tsy miangatra ny anao tamin'izay rehetra nanafaizanao anay, dia ny tenanay sy i Jerosalema, ilay tanana masin'ny razanay; satria araka ny marina sy ny hitsiny no nanaovanao izany rehetra izany, dia noho ny amin'ny helokay ihany.
29 Fa nahavita heloka izahay sy nanao ratsy ka nihataka taminao, ary diso tamin'ny zavatra rehetra.
30 Tsy nankato ny didinao izahay, ka tsy nitandrina na nahatanteraka izany araka ny nandidianao anay mba hahitanay soa avy aminy.
31 Izay rehetra nanafaizanao anay sy izay rehetra nataonao taminay dia araka ny fitsaranao ara-drariny.
32 Natolotrao izahay ho eo an-tanan'ny fahavalo izay olon-dratsy mahatsiravina sady mpikomy aminao, ary ho eo ambany fahefan'ny mpanjaka iray faran'izay tsy marina indrindra eto an-tany.
33 Ary ankehitriny mikombom-bava izahay mpanomponao sy mpivavaka aminao fa sady menatra no afa-baraka.
34 Koa noho ny amin'ny lazanao, dia aza mahafoy anay tanteraka ary aza foananao ny fanekem-pihavananao.
35 Aza esorinao aminay ny fitiavanao noho ny amin'i Abrahama sakaizanao sy i Itsehaka mpanomponao ary i Israely voatokana ho Anao.
36 Samy nampanantenainao ireo fa homenao taranaka maro tahaka ny kintana eny amin'ny lanitrana toy ny fasika eny amoron-dranomasina.
37 Kanefa, TOMPO o, noho ny helokay dia tonga firenena bitika indrindra amin'ny firenen-drehetra izahay ary vahoaka voaetry ankehitriny eto ambonin'ny tany tontolo.
38 Amin'izao fotoana izao dia tsy anananay na filoha na mpaminany na mpitarika; tsy afa-manao sorona dorana manontolo izahay na sorona hafa amam-panatitrana fandoroana vovo-javamanitra, na toerana fanaterana ny voaloham-bokatra mba handraisanay famelan-keloka aminao.
39 Kanefa raiso izahay, TOMPO o, amin'izao avonavonay efa torotoro sy fanahinay feno fietrena izao,
40 raiso tahaka ny ondrilahy sy ombilahy izay fanaonay sorona dorana manontolo; ho toy ny zanak'ondry matavy an'arivony anie ny sorona atolotray Anao ankehitriny; ary hanaraka Anao hatrany anie izahay, satria tsy ho menatra izay matoky Anao.
41 Ankehitriny no amehezanay tena hanaraka Anao amin'ny fonay manontolo, ka sady hanaja Anao izahay no hitady ny fanatrehanao.
42 Koa aza avela ho afa-baraka izahay, fa ento araka ny fiantranao sy araka ny indrafonao tsy hita lany.
43 Vonjeo araka ny asanao mahagaga izahay, ka ny anaranao, Tompo o, no omeo voninahitra.
44 Enga anie ho menatra sy ho afa-baraka izay rehetra manisy ratsy anay mpanomponao ; enga anie tsy hisy fahefana ananany intsony ary ho voamontsamontsana ny heriny.
45 Aoka ho fantany fa Ianao no hany Tompo Andriamanitra sady omem-boninahitra amin'ny tany tontolo! "
46 Fa ireo mpanompon'ny mpanjaka, izay nanipy azy telo lahy tao amin'ny fatana fandrendrehana, dia tsy nitsahatra nisorona ny afo tamin'ny tara sy ditin-kazo ary hoto aman-kitay;
47 koa nijoalajoala tany amin'ny 24 metatra sy sasany ambonin'ny fatana ny lelafo.
48 Nidedadeda aoka izany nanodidina ny fatana ny afo ka nandoro hatramin'ireo Babilonianina nanakaiky izany.
49 Fa nidina tao amin'ny fatana niaraka tamin'i Hazaria sy ireo namany ny anjelin'ny TOMPO ka nanosika ny lelafo ho any ivelan'ny fatana.
50 Dia nisy toa rivotra malefaka nitsoka teo afovoan'ny fatana, ka tsy nahakasika na nandratra azy ireo kely akory ny afo.
51 Koa toy ny vava iray ihany izy telolahy tao anaty fatana no indray nidera sy nankalaza ary nisaotra an'Andriamanitra ka nanao hoe:
52 "Hisaorana anie Ianao, ry Tompo Andriamanitry ny razanay, fa mendrika dera sy laza mandrakizay. Hisaorana anie ny anaranao izay masina sy be voninahitra fa mendrika dera sy laza mandrakizay.
53 Hisaorana anie Ianao an-tempolinao masina sy be voninahitra, fa mendrika dera sy voninahitra mandrakizay.
54 Hisaorana anie Ianao Izay mipetraka eo ambonin'ny kerobima sy mijery ny fanambanin'ny hantsana, fa mendrika dera sy laza mandrakizay.
55 Hisaorana anie Ianao eo amin'ny sezafiandriananao, fa mendrika dera sy laza mandrakizay.
56 Hisaorana anie Ianao eo ambonin'ny andohalambon'ny lanitra, fa mendrika dera sy voninahitra mandrakizay.
57 Misaora ny TOMPO ianareo rehetra asany ; derao Izy ary ankalazao mandrakizay.
58 Misaora ny TOMPO, ianareo lanitra; derao Izy ary ankalazao mandrakizay.
59 Misaora ny TOMPO, ianareo anjeliny; derao Izy ary ankalazao mandrakizay.
60 Misaora ny TOMPO ianareo rano mivangongo any ambonin'ny lanitra ; derao Izy ary ankalazao mandrakizay.
61 Misaora ny TOMPO, ianareo rehetra herin'ny lanitra; derao Izy ary ankalazao mandrakizay.
62 Misaora ny TOMPO, ianareo masoandro sy volana; derao Izy ary ankalazao mandrakizay.
63 Misaora ny TOMPO, ianareo kintan'ny lanitra ; derao Izy ary ankalazao mandrakizay.
64 Misaora ny TOMPO, ianareo orana aman'ando rehetra; derao Izy ary ankalazao mandrakizay.
65 Misaora ny TOMPO, ianareo rivotra rehetra; derao Izy ary ankalazao mandrakizay.
66 Misaora ny TOMPO, ianareo afo sy hafanana; derao Izy ary ankalazao mandrakizay.
67 Misaora ny TOMPO, ianareo hatsiaka sy hafana-migaingaina; derao Izy ary ankalazao mandrakizay.
68 Misaora ny TOMPO, ianareo ando amam-patrakala; derao Izy ary ankalazao mandrakizay.
69 Misaora ny TOMPO, ianareo andro sy alina; derao Izy ary ankalazao mandrakizay.
70 Misaora ny TOMPO, ianareo hazavana sy haizina; derao Izy ary ankalazao mandrakizay.
71 Misaora ny TOMPO, ianareo fanala sy hatsiaka; derao Izy ary ankalazao mandrakizay.
72 Misaora ny TOMPO, ianareo rano mandry sy oram-panala; derao Izy ary ankalazao mandrakizay.
73 Misaora ny TOMPO, ianareo tselatra sy rahona; derao Izy ary ankalazao mandrakizay.