Daniela Grika

Toko faha-13

51 Hoy kosa ny navalin'i Daniela: -Saraho hifanalavitra ireo olona anankiroa ireo, fa hotsaraiko mitokana avy.

52 Dia nosarahina ireo; ary nampiantsoin'i Daniela ny voalohany ka nilazany hoe: -Ry lahiantitra feno haratsiana! Indro hianjady aminao ny valin'ny fahotanao fahiny!

53 Namoaka didim-pitsarana tsy marina ianao, fa nomelohinao ny tsy manan-tsiny ary nafahanao ny olo-meloka. Ny Tompo kosa efa nilaza hoe: "Aza mampamono ho faty ny olon-tsy manan-tsiny sy ny olo-marina"

54 Ka raha nahatratra an'i Sozanina niaraka tamina tovolahy ianao, dia mba lazao amiko hoe: "Teo ambany hazo inona moa no nahitanao azy ireo niaraka?" Dia namaly izy hoe:-Teo ambany hazo lentiska.

55 Fa hoy kosa i Daniela: -Injay ilay lainga be hahafaty anao, satria ny anjelin'Andriamanitra efa nahazo baiko hanasamaka anao eo afovoany.

56 Dia noroahin'i Daniela ilehio ary nampiantsoiny ilay faharoa ka nilazany hoe: -Ry taranak'i Kanahana fa tsy an'i Joda, nahalasa adala anao ny hatsaran-tarehim-behivavy ary nampivily ny fonao ny fanirianao azy!

57 Izany koa no nataonareo tamin'ny vehivavin'i Israely, ka nandry taminareo izy satria natahotra anareo; fa tsy mba nanaiky izany fitondrantena maloto izany kosa ity vehivavin'i Joda ity.

58 Koa mba lazao amiko ankehitriny hoe: "Teo ambany hazo inona moa no nahatraranao azy ireo niaraka?" Dia namaly izy hoe: -Teo ambany hazo oaka.

59 Fa hoy kosa i Daniela: -Injay ilay lainga be hahafaty anao koa, satria ny anjelin'Andriamanitra efa miandry amin'ny sabatra, hikapa anao eo afovoany ka hahafaty anao.

60 Nihoraka mafy nisaotra an'Andriamanitra ny rehetra tafangona teo, fa mahavonjy izay miankina aminy Izy.

61 Dia nirohotra namely ireo loholona roa lahy izy rehetra, satria voaporofon'i Daniela ny tsy mahamarim-pototra ny fanambarana izay nataony; koa izay ratsy nokasainy hatao tamin'ny mpiray firenena aminy ihany no nampiharina taminy,

62 mba hahatanteraka ny lalan'i Mosesy. Dia nohelohina ho faty ny vavolombelona mandainga; fa voavonjy kosa tamin'izany andro izany ny tsy manan-tsiny.

63 Dia nidera an'Andriamanitra noho ny amin'i Sozanina zanany vavy i Hilkia sy ny vadiny ary i Joakima mbamin'ny fianakaviany manontolo, satria tsy nahitana zava-mahafa-baraka akory ny toetrany.

64 Hatramin'izay andro izay sy ny manaraka dia nalaza tamin'ny besinimaro i Daniela.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0637