Daniela Grika

Toko faha-13

1 Nisy lehilahy iray nonina tany Babilona; Joakima no anarany.

2 Izy io dia nanambady vehivavy iray tsara tarehy tokoa sady fatra-panaja ny TOMPO, izay nantsoina hoe Sozanina zanakavavin'i Hilkia.

3 Ny ray aman-dreniny dia olona mpivavaka, ka nitaiza an-drazazavavy araka ny lalanan'i Mosesy.

4 Mpanefoefo i Joakima, ary nanana zaridaina lehibe teo akaikin'ny tranony. Nirohotra nankao aminy ny Jiosy, satria izy no nalaza indrindra tamin'izy rehetra.

5 Tamin'io taona io dia nisy loholon'ny vahoaka jiosy roa lahy no tendrena ho mpitsara. Ny amin'ireo no nitenenan'ny TOMPO hoe: "Nipoitra avy tao Babilona ny faharatsiana tamin'ny alalan'ny loholona mpitsara, dia olona toa niseho hitari-bahoaka."

6 Tao an-tranon'i Joakima no falehan'ireo loholona ireo; ary izay rehetra nanana ady halamina dia tonga nanatona azy ireo.

7 Rehefa lasa avokoa ny olona tamin'ny mitataovovonana, dia niditra sy nitsangantsangana tao an-jaridainam-badiny i Sozanina.

8 Raha nahita ny fahatongavany isan'andro tao ireo loholona roa lahy ireo, dia velom-paniriana azy.

9 Simba eritreritra tamin'izany izy roalahy ka tsy naha jery intsony an'ilay Andriamanitry ny lanitra na nahatsiaro ny fitsipika ara-drariny navoakany.

10 Samy maim-panirian-dratsy azy fatratra izy roa lahy, kanefa tsy nifampilaza izay mahamay azy,

11 satria samy menatra ny hifamosaka ny faniriany hiray amin'i Sozanina.

12 Isan'andro izy roa lahy dia mitily fatratra izay hirika hahitana azy.

13 Koa indray mitataovovonana izay dia nifampilaza izy roa lahy hoe: "Ndeha isika hody, fa ora fisakafoana izao!"

14 Dia nisaraka izy, kanjo samy niverina ila lany. Dia nifanontany ny antony teo izy ka farany samy niaiky ny faniriany an'i Sozanina. Ary nifanaraka izy roa lahy ny amin'izay fotoana hiarahany mihaona aminy mitokana.

15 Dia nikendry izay fotoana mety tokoa izy roa lahy no indro niditra tao an-jaridaina toy ny fanaony omaly sy afakomaly i Sozanina narahina mpanompo vavy roa ihany, fa te handro izy satria nafana ny andro.

16 Tsy nisy olon-kafa teo afa-tsy ireo loholona roa lahy izay niafina nitily azy.

17 Dia nasain'i Sozanina haka menaka manitra sy ranomanitra ireo mpanompovaviny sady hanidy ny vavahadin'ny zaridaina hahazoany mandro tsy misy mpanelingelina.

18 Notanterahin'izy roa vavy izay nasaina nataony; ka nony voahidiny ny vavahady lehibe mankao an-jaridaina, dia nivoaka tamin'ny vavahady ivoho izy haka ireo zavatra nampanalain'ny tompovaviny azy. Tsy tsikariny anefa ireto loholona tsara fiafenana;

19 koa vantany vao dify ireo mpanompovavy, dia nivoaka ny toerana niafenany izy ireo ary nilomay nankao amin'i Sozanina ka niteny taminy hoe:

20 -Mihidy avokoa ny vavahadin'ny zaridaina ka tsy misy olona mahita antsika. Mirehi-pitiavana anao tokoa izahay; koa ekeo re ny fanirianay hiray aminao!

21 Fa raha manda kosa ianao, dia hampangainay ho niaraka samirery tamina tovolahy iray, koa izany no nandroahanao ireo mpanompovavinao.

22 Dia nisento lalina i Sozanina ka nanao hoe: -Tena latsaka an-katerena aho ity. Raha manaiky anareo aho, dia tsy maintsy ho helohina ho faty satria manitsakitsa-bady ; fa raha manda anareo kosa aho, dia tsy ho afa-miala amin'ny vahohonareo.

23 Aleo koa nefa azon'ny vahohonareo saingy tsy nanao ratsy, toy izay hanota eo anatrehan'ny TOMPO.

24 Dia nikiakiaka mafy i Sozanina, nefa mba niantsoantso niampanga azy koa ireto loholona roa lahy.

25 Nihazakazaka namoha ny vavahady ny anankiray taminy;

26 koa raha vao nahare ny kiakiaka sy antsoantso ireo mpanompo tao an-trano, dia nilomay nankao an-jaridaina tamin'ny vavahady ivoho mba hizaha izay manjo an'i Sozanina ao.

27 Dia nitantara ny antsanga tsy aman'orany teo ireo loholona, ka menatra mafy ny mpanompo satria tsy mbola nisy nilaza zavatra momba an'i Sozanina toy izany.

28 Ny ampitso, rehefa nivory tao an-tranon'i Joakima vadin'i Sozanina ny olona, dia tonga koa ireto loholona roa lahy efa feno teti-dratsy hamelezana an-dravehivavy mba hahafaty azy. Hoy izy ireo teo anatrehan'ny vahoaka:

29 -Asaivo mankaty i Sozanina, zanakavavin'i Hilkia ary vadin'i Joakima! Dia nampanalaina izy,

30 ka tonga ary narahin'ny ray aman-dreniny mbamin'ny zanany aman-kavany rehetra.

31 Fatratra ny bikan'i Sozanina; ary tsara tarehy aoka izany izy.

32 Nasain'ireo loholona ratsy fanahy nesorina ny voaly nisalorany mba hankafizany ny hatsaran-tarehiny.

33 Nitomany avokoa ny fianakaviany manontolo mbamin'izay rehetra nahita azy.

34 Dia nitsangana teo anivon'ny vahoaka ireto loholona roa lahy ka nametra-tanana tamin'ny lohan'i Sozanina.

35 Izy kosa nitomany niandrandra ny lanitra, satria ny fony natoky ny TOMPO.

36 Ary hoy ireto loholona hoe: -Raha nitsangantsangana honjohonjonay tao teo an-jaridaina izahay, dia tonga ity vehivavy ity niaraka tamin'ny mpanompovaviny roa. Nasainy nohidina ny vavahady lehibe, dia noroahiny ireo mpanompovavy.

37 Dia nisy tovolahy iray niafina teo nanatona azy ary nandry taminy.

38 Tao an-joron-jaridaina izahay raha nahita ny zava-doza nitranga, dia nilomay nankeo amin'izy ireo

39 ary nahita ny firaisana nataony. Tsy voatananay anefa ilay tovolahy, satria natanjaka noho izahay izy; fa voavohany ny vavahadin-jaridaina, dia lasa nandositra izy.

40 Fa ity vehivavy ity kosa no azonay ka nanontanianay hoe: Mba iza loatra iny tovolahy iny?

41 Nefa tsy nety nilaza taminay izy. Koa izany zava-nitranga izany dia ijoroanay ho vavolombelona. Nino azy ireo ny vahoaka, satria loholon'ny vahoaka sy mpitsara izy; ary dia voaheloka ho faty i Sozanina.

42 Koa niantso mafy ravehivavy nanao hoe: -Ry Andriamanitra mandrakizay o, mahafantatra ny miafina Ianao ary mahalala ny zavatra rehetra alohan'ny hitrangany.

43 Fantatrao fa ireo olona ireo dia mijoro vavolombelona mandainga hanamelohana ahy. Hitanao fa ho faty aho, kanefa tsy nisy nataoko akory izay hasomparana noforonony hamelezany ahy.

44 Nohenoin'ny TOMPO ny antson'i Sozanina.

45 Raha ilay nentina ho vonoina iny izy, dia nohetsehin'Andriamanitra ny Fanahy Masina tamin'ny zatovolahy iray atao hoe Daniela.

46 Dia niantso mafy ilehio nanao hoe:-Afa-tsiny amin'ny fahafatesan'io vehivavy io aho!

47 Nitodika tany aminy ny vahoaka rehetra ka nanontany azy hoe: -Inona no tianao hambara amin'izany teny izany?

48 Dia nitsangana teo afovoan'ireo i Daniela sady nanao hoe: -Adala ve ianareo, ry Israelita, no dia hanameloka vehivavy israelita toa anareo tsy misy famotopotorana sady tsy misy porofo.

49 Miverena any amin'ny fitsarana, fa vavolombelona mandainga hamelezana azy fotsiny ireo olona ireo!

50 Dia niverina faingana ny olon-drehetra. Ary hoy ny loholona hafa tamin'i Daniela: -Nomen'Andriamanitra ny fahamendrehan'ny anti-panahy ianao, koa avia hiara-mitsara aminay ary ampahafantaro anay ny hevitrao.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0835