1 Tantara

Toko faha-6

51 Ho an'ireo fianakaviana sasany anisan'ny taranak'i Kehata, dia nisy tanana ho faritra fonenany avy tamin'ny fokon'i Efraima;

52 ka nomena azy ireto tanana fialofana ireto: dia i Sekema, teo amin'ny tendrombohitr'i Efraima, i Gezera sy

53 i Joknehama, i Bety-Horona sy i Aialona ary i Gata-Rimona mbamin'ny kijana samy manodidina azy,

55 ny tanana avy tamin'ny antsasa-pokon'i Manase kosa, izany hoe i Tahanaka sy i Jiblehama mbamin'ny kijana samy manodidina azy, dia nomena an'ireo fianakaviana sisa anisan'ny taranak'i Kehata.

56 Ho an'ny taranak'i Gersona, araka ny fianakaviany avy, dia nisy tanana avy tamin'ny antsasa-pokon'i Manase: dia i Golana any Basana sy i Hastarota mbamin'ny kijana samy manodidina azy,

57 nisy avy tamin'ny fokon'i Jisakara: dia i Kisiona sy i Daberata ary

58 i Ramota sy i Hanema mbamin'ny kijana samy manodidina azy;

59 avy tamin'ny fokon'i Asera: dia i Masala sy i Habdona ary

60 i Hokota sy i Rehota mbamin'ny kijana samy manodidina azy;

61 nisy avy tamin'ny fokon'i Naftaly: dia i Kedesa any Galilea sy i Hamosa ary i Kiriataima mbamin'ny kijana samy manodidina azy.

62 Ho an'ireo taranak'i Merary, izany hoe ny Levita sisa, dia nisy tanana avy tamin'ny fokon'i Zebolona: dia i Rimona sy i Tabora mbamin'ny kijana samy manodidina azy;

63 nisy avy tamin'ny fokon'i Reobena, eny andafy atsinanan'i Jordana tandrifin'i Jerikao: dia i Betsera any an-taniefitra sy i Jahatsa

64 ary i Kedemota sy i Mefahata mbamin'ny kijana samy manodidina azy;

65 nisy avy tamin'ny fokon'i Gada: dia i Ramota any Gilehada sy i Mahanaima ary

66 i Hesbona sy i Jahizera mbamin'ny kijana samy manodidina azy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0612