1 Tantara

Toko faha-2

51 i Salma mpanorina an'i Betlehema, ary i Harefa mpanorina an'i Bety-Gedera.

52 Taranak'i Sobala mpanorina an'i Kiriata-Jeharima: ny mponina tao Haroe sy ny antsasaky ny Manahetita

53 ary ireo tarika tao Kiriata-Jeharima, dia ny Jitrita sy ny Potita mbamin'ny Somatita sy ny Misrahita; avy tamin'ireo tarika ireo no nipoiran'ny Tsorehatita sy ny Estaolita.

54 Taranak'i Salma: ny mponina tao Betlehema, ny Netofatita, ny mponina tao Hatarota-Bety-Joaba, ny antsasaky ny Manahetita, ny Tsorehita,

55 ary ireo tarika mpanoratra nonina tao Jahebetsy, dia ny Tirehatita sy ny Simehatita mbamin'ny Sokatita. Ireo tarika mpanoratra ireo no Kenita nipoitra avy tamin'i Hamata izay razamben'ny fianakaviana Rekabita.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1121