1 Samoela
Toko faha-17
53 Dia navelan'ny Israelita ny fanenjehana ny Filistinina fa lasa izy ireo namabo ny tobiny.54 Nalain'i Davida ny lohan'i Goliata mba hoentiny any Jerosalema, fa ny fiadian'ilay rapeto kosa notahiriziny tao an-dainy.
55 Rehefa hitan'i Saoly ny nandehanan'i Davida nifanandrina tamin'ilay Filistinina, dia nanontany an'i Abinera komandin'ny tafika izy hoe: Zanak'iza moa iny tovolahy iny, ry Abinera? Ka novalian'i Abinera hoe: Velona ny ainao, ry andriamanjaka, fa tena tsy fantatro mihitsy iny tovolahy iny.
56 Dia hoy ny mpanjaka taminy: Ataovy ary izay mety hahafantaranao ny mombamomba azy.
57 Koa rehefa tafaverina an-toby avy nahafaty an'i Goliata i Davida, dia nalain'i Abinera izy ary nentiny tany amin'i Saoly. Mbola teny an-tanany amin'izany ny lohan'lay Filistinina.
58 Dia hoy i Saoly nanontany azy: Zanak'iza moa ianao, anaka? Ka novalian'i Davida hoe: Zanak'i Jisay mpanomponao avy any Betlehema aho, tompoko.