1 Mpanjaka
Toko faha-8
51 Vahoakanao sy fanananao manko ireo hatramin'ny nitondranao azy niala tany Ejipta, dia avy tao amin'ny memy fandrendreham-by.52 Ry Tompo ANDRIANANAHARY o, enga anie ny masonao hijery ary enga anie Ianao hihaino ny fifonako sy ny an'ilay Israely vahoakanao isaky ny miantso Anao izahay.
53 Satria Ianao no nanavaka anay tamin'ny firenen-drehetra ambonin'ny tany mba ho fanananao, araka ny nampilazainao an'i Mosesy mpanomponao fony Ianao nitondra ny razanay niala tany Ejipta.
54 Raha vao vitan'i Salomona izany vavaka sy fifonana manontolo nataony tamin'ny TOMPO izany, dia nitsangana avy teo am-pandohalehana nanoloana ny alitaran'ny TOMPO izy sady nanainga tanana nanandrify ny lanitra.
55 Nijoro izy no nitsodrano tamin'ny feo mahery ny Israelita tafangona teo nanao hoe:
56 Hisaorana anie ny TOMPO Izay nanome fiadanana ny Israelita vahoakany araka izay rehetra nolazainy; fa tanterany antsipiriany avokoa ny teny soa nampilazainy an'i Mosesy mpanompony.
57 Koa enga anie ny TOMPO Andriamanitsika mba hiaraka amintsika tahaka izay efa niarahany tamin'ireo razantsika; tsy hahafoy na handao antsika anie Izy,
58 fa hampirona ny fontsika aminy mba hizorantsika araka ny sori-dalany rehetra ary hitandremantsika ny didy aman-dalana sy ny fitsipika izay nomeny an'ireo razantsika.
59 Hotsaroan'ny TOMPO Andriamanitsika andro aman'alina anie izany teny fifonana nataoko teo anatrehany izany mba hanomezany rariny antsika vahoakany araka izay sahaza antsika isan'andro.
60 Dia ho fantatry ny firenen-drehetra ambonin'ny tany fa ny TOMPO irery ihany no Andriamanitra fa tsy misy hafa;
61 ary hiraiki-po amin'ny TOMPO Andriamanitsika ianareo mba hizoranareo araka ny lalanany sy hitandremanareo ny didiny tahaka izao ataonareo anio izao.
62 I Salomona mpanjaka sy ny Israelita rehetra tafaraka taminy dia nanao sorona teo anatrehan'ny TOMPO.
63 Ka omby 22000 sy ondry aman'osy 120000 no nataon'i Salomona ho sorom-pihavanana ho an'ny TOMPO. Toy izany no nitokanan'ny mpanjaka sy ny Israelita rehetra ny tranon'ny TOMPO.
64 Io andro io ihany no nanokanan'ny mpanjaka ny afovoan'ny kianja manoloana ny tranon'ny TOMPO, satria teo no nanaterany ny sorona dorana manontolo sy ny fanatitra vokatry ny tany ary ny saboran'ny sorom-pihavanana. Kely loatra manko ny alitara halimo teo anoloan'ny Toeramasina ka tsy omby ny zavatra rehetra natolotra.
65 Tamin'io volana fahafito io koa no niarahan'i Salomona nankalaza ny fetin'ny Tranotomboka tamin'ny Israelita rehetra izay tafangona marobe, tonga avy amin'ny lafy valo hatreo Lebo-Hamata ka hatrany amin'ny lohasahan-driakan'i Ejipta. Koa nankalaza fety teo anatrehan'ny TOMPO Andriamanitsika izy nandritra ny fito andro indroa: izany hoe 14 andro.
66 Ary tamin'ny andro fahavalo dia nalefan'ny mpanjaka hody ny Israelita. Dia nanao veloma ny mpanjaka ireo ary lasa nody tany an-tranony avy sady faly sy ravoravo fo noho ny soa isan-karazany nataon'ny TOMPO tamin'i Davida mpanompony sy tamin'i Israely vahoakany.