1 Mpanjaka
Toko faha-22
51 Ary rehefa lasa nodimandry any amin'ny razany i Josafata, dia nalevina am-pasan-drazana tao an-tananan'i Davida; ary i Jorama zanany lahy no nanjaka nandimby azy.52 Tamin'ny taona faha-17 nanjakan'i Josafata mpanjakan'i Joda no tonga mpanjakan'i Israely tao Samaria i Ahazia zanakalahin'i Ahaba; ary naharitra roa taona no nanjakany tamin'i Israely.
53 Nanao izay ratsy eo imason'ny TOMPO izy fa nanaraka ny toetran'ny rainy sy ny reniny ary ny toetran'i Jerobohama izay zanakalahin'i Nebata sady nampanota an'i Israely.
54 Nanompo an'i Bahala sady niankohoka teo anatrehany izy ary nampahatezitra ny TOMPO Andriamanitr'i Israely tahaka izay nataon-drainy ihany.