1 Mpanjaka
Toko voalohany
51 Ary nisy nanambara izany tamin'i Salomona ka nanao hoe: Natahotra anao mafy i Adonia, ry Salomona mpanjaka; ka indro izy fa mamikitra amin'ny tandroky ny alitara sady manao hoe: Tsy hiala eto mihitsy aho raha tsy mianiana amiko i Salomona mpanjaka fa tsy hamono ahy ho faty amin'ny sabatra.52 Fa hoy i Salomona: Raha mitondra tena toy ny olom-banona izy, dia tsy hisy hikasika na dia singam-bolony iray aza; fa raha hita ho manan-keloka kosa izy, dia ho faty ihany.
53 Dia naniraka olona hampidina azy hiala teo amin'ny alitara i Salomona. Ary tonga niankohoka teo anatrehan'i Salomona mpanjaka i Adonia ka nitenenany hoe: Mahazo mody an-tranonao ianao!