1 Makabeo

Toko faha-9

51 Nametrahan'i Bakida miaramila mpiandry koa ireo toerana ireo mba hanelingelina ny Israelita.

52 Nohamafisiny rahateo ny tanana Bety-Tsoro sy Gezera ary koa ilay toera-mafin'i Jerosalema; ka miaramila sy tahirin-tsakafo no napetrany tao amin'ny tanana ireo.

53 Nalainy ho antoka ny zanakalahin'ny lohandohany teo amin'ny tany, dia notanany ho sambo-belona tao amin'ny toera-mafin'i Jerosalema.

54 Tamin'ny taona faha-153, volana faharoa , no nandidian'i Alkima fa hazera ny rindrin'ny kianja anaty ao amin'ny tempoly. Nikendry handrava ny asa nataon'ireo mpaminany izy tamin'izany; ary efa natomboka tokoa ny fampianjerana.

55 Saingy tamin'izay fotoana izay no nidonan'aretina i Alkima, ka voatery natsahatra ny asa; fa tsy afa-niteny intsony izy, na indraim-bava aza, ary tsy afa-namoaka didim-pananana akory.

56 Dia maty tamim-pijalijaliana fatratra i Alkima tamin'izany vaninandro izany.

57 Rehefa hitan'i Bakida fa maty i Alkima, dia niverina ho any amin'ny mpanjaka Demetry izy; ka nandry feizay ny tanin'i Jodea nandritra ny roa taona.

58 Tamin'izay ny Jiosy mpivadika rehetra dia nifampidinika nanao hoe: "Miadana sy mandry feizay ity ry i Jonatana sy ny olony, ka ndao ho hafarantsika i Bakida; fa indray alina monja no hisamborany azy rehetra."

59 Dia lasa tokoa ireo nifanaraka tamin'i Bakida.

60 Ka niainga ilay io nitondra tafika goavana sady nandefa taratasy mangingina ho any amin'ireo rehetra mpiandany aminy ao Jodea mba hisamboran'ireo an'i Jonatana sy ny olona; kanjo tsy afa-nanoatra ireo, satria fantatr'i Jonatana ny tetiny.

61 Tamin'ireo vatan-dehilahy mponin'io tany io ka lohandohan'izany teti-dratsy izany aza, dia nisy dimampolo no nasain'i Jonatana nosamborina sy novonoina ho faty.

62 Avy eo dia lasa ry i Jonatana sy i Simona mbamin'ireo mpomba azy, nankany Bety-Basy any an-taniefitra; namboariny izay rava tamin'io toerana io, dia nasiany manda.

63 Ren'i Bakida izany, ka novoriny ny miaramilany rehetra sady nantsoiny ny mpomba azy tao Jodea,

64 dia lasa niorin-toby teo akaikin'i Bety-Basy izy ary nanao fahirano io tanana io nandritra ny andro maro ka namboatra milina fandrobahan-drindrina.

65 Tamin'izay kosa no navelan'i Jonatana tao an-tanana i Simona rahalahiny; ka nivoaka ho any an-tsaha izy nomban'ny miaramila vitsivitsy.

66 Dia nasiany tao an-day i Odomera sy ny mpiray tarika aminy ary koa ny Fasironita ; ka nirosohamely ny mpanao fahirano ireo sady niady niandany tamin'ny miaramilan'i Jonatana.

67 Ry i Simona sy ny namany kosa, tetsy an-daniny, nivoaka ny tanana sy nandoro ny milina namboarin'ny fahavalo.

68 Nifanotofan'izy roa tonta i Bakida ka nataony vaky nandositra ny tafiny ary novesarany fahoriana lalina ny tenany noho ny teti-panafihany tsy nahomby.

69 Loza ny hatezeran'i Bakida tamin'ny Jiosy mpankahala fivavahana, satria ireo no nanome hevitra azy ho tonga aty amin'ny taniny; ka maro tamin'ireo Jiosy ireo no nampamonoany ho faty. Avy eo dia nanapa-kevitra i Bakida ny hody any amin'ny tany fiaviany.

70 Fantatr'i Jonatana izany, ka nandefa iraka izy hanao raharaham-pihavanana aminy sy hifanaraka momba ny hamerenana ny sambo-belona.

71 Noraisin'i Bakida sy nekeny ny hevitra naposak'i Jonatana; ary nianianany mihitsy i Jonatana fa tsy hitady hanisy ratsy azy intsony izy raha mbola velona aina koa.

72 Tenan'i Bakida no namerina taminy ny sambo-belona azony taloha tao Jodea; dia lasa nody any amin'ny tany fiaviany izy, ka tsy niverina teo amin'ny faritry ny Jiosy intsony.

73 Dia nitsahatra ny ady teo amin'i Israely; ary niorim-ponenana tao Mikmasy i Jonatana, ka nanomboka nitondra ny vahoakany sy namongotra ny mpankahala fivavahana teo amin'i Israely.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1065