1 Makabeo
Toko faha-6
51 Dia nanao fahirano ny tempoly izy nandritra ny andro maromaro ka nanangana tilikambo fitifirana, nandrafitra milina fandrobahan-drindrina sy milina fandefasan-java-mirehitra na fandefasam-bato, ary koa fitaovana fandefasan-jana-tsipika sy antsamotady.52 Ireo voafahirano koa namboatra milina mba hamotehana ny an'ireo mpanao fahirano, ka naharitra andro maromaro ny fanoherany azy.
53 Kanefa tsy nisy sakafo intsony tao amin'ny fitahirizam-batsy, satria taona fampialan-tsasatra ny tany tamin'izay; ary ny sakafo tavela farany tao dia lanin'ireo Jiosy izay niala avy any amin'ny hafa firenena ka nialoka tao Jodea.
54 Noho ny mosary nananontanona mafy ny voafahirano, dia vatan-dehilahy Jiosy vitsy foana no tafajanona tao an-tempoly, fa nihahaka samy nody tany amin'ny fonenany avy ny sisa rehetra.
55 Tamin'izay indrindra no ren'i Lisia fa tonga avy any Persia sy Media i Filipo, nomban'ny miaramila nanaraka ny mpanjaka, ka nitady handray ny raharaham-panjakana ho eo an-tanany.
56 Io Filipo io no voatendrin'i Antiokosa mpanjaka, fony izy mbola velona, mba hampianatra an'i Antiokosa zanany sy hanabe azy hitondra ny fanjakana.
57 Nony nahare izany vaovao izany i Lisia, dia dodona mafy ny hanainga, ka niteny tamin'ny mpanjaka sy ny mpitari-tafika ary ny miaramila hoe: -Isika ity mihaosa isan'andro; ny sakafo dia kely sisa ananantsika; ny toerana ataontsika fahirano voamanda mafy; kanefa ny raharaham-panjakana izao no tokony himasoantsika.
58 Koa ankehitriny, ndao isika hifandray tanana amin'ireo olona ireo, ary hanao fanekem-pihavanana aminy sy amin'izy rehetra mpiray firenena.
59 Aoka hoekentsika ny hahazoany manao toe-piainana araka ny lalanany toy ny taloha; fa noho ny amin'ireo lalana ireo, izay notadiavintsika ho foanana ihany, no nahatezitra azy sy nahavitany izao fikomiana rehetra izao.
60 Sitraky ny mpanjaka sy ny filohan-tafika izany teny izany; ka nandefa iraka i Lisia hanao raharaham-pihavanana amin'ny Jiosy izay nanaiky izany rahateo.
61 Nankatoavin'ny mpanjaka sy ny filohan-tafika tamim-pianianana ny fifanekena, ka dia nivoaka ny manda ireo voafahirano.
62 Kanjo nony tafiditra tao an-tendrombohitra Tsiona ny mpanjaka, ka nahita izato manda dia nivadika tamin'ny fianianana nataony ary nanome didy handrava ny manda manodidina ny tempoly.
63 Izay izy vao niainga maika dia maika hiverina any Antiokia izay nahitany an'i Filipo efa tonga tompon'ny tanana. Dia niady tamin'i Filipo izy, ka nahazo an-kery ny tanana.