1 Makabeo
Toko faha-5
51 Novonoiny tamin'ny lelan-tsabatra ny lahy rehetra, noravany tsy nisy niangana i Hefrona, nentiny ny babo teo aminy, ary faty no voadiany namaky azy.52 Avy eo dia nita an'i Jordana ny Israelita, dia tonga teo amin'ny lemaka lehibe tandrifin'i Bety-Seana.
53 Tsy nitsahatra i Joda nanainga ny mpitaredretra vodilaharana mba hanatratra ny namany ary koa nampirisika ny vahoaka teny an-dalana rehetra teny, mandra-pahatodiny tany Jodea.
54 Ary tamim-pifaliana sy firavoravoana no niakaran'ny besinimaro tao an-tendrombohitra Tsiona sady nanaterany sorona dorana manontolo, satria tonga soa aman-tsara izy rehetra tsy nisy maty na dia iray aza.
55 Fony mbola tany Gilehada i Joda sy i Jonatana mirahalahy, ary tany Galilea anoloan'i Ptolemaida koa i Simona rahalahiny,
56 dia ren'i Josefa zanakalahin'i Zakaria mbamin'i Hazaria izay samy mpitari-tafika ny herimpo lehibe nasehony sy ny ady nataony.
57 ka nifampilaza izy roa lahy ireto hoe: "Ndao koa isika mba hampanehoeho ny lazantsika, ka hiady amin'ny hafa firenena manodidina antsika".
58 Dia nomeny didy ny miaramila nankinina taminy ka nandroso hamely an'i Jamnia.
59 Nivoaka ny tanana kosa i Gorjia mbamin'ny miaramilany, ka nisehatra azy an'ady.
60 Resy ny tafik'i Josefa sy i Hazaria ka nenjehin'ny miaramilan'i Gorjia hatreo amin'ny sisin-tanin'i Jodea; ary nahafatesana vatan-dehilahy roa ny Israelita tamin'izay andro izay.
61 Voan'ny faharesena goavana ny vahoaka israelita, satria i Josefa sy i Hazaria dia tsy nihaino an'i Joda mirahalahy avy , fa mba nihevi-tena haneho herimpo koa.
62 Kanefa tsy isan'ireo olona izay nanankinan'Andriamanitra ny fanafahana an'i Israely izy roa lahy.
63 Nahazo voninahitra lehibe i Joda mahery fo sy ireo rahalahiny teo anatrehan'i Israely manontolo sy ny hafa firenena rehetra izay nandrenesana ny lazany.
64 Nitangorona nanodidina azy mirahalahy avy ny olona mba hiarahaba azy.
65 Dia niainga koa i Joda mbamin'ireo rahalahiny hiady amin'ny taranak'i Hesao eo amin'ny faritany atsimo; azony i Hebrona mbamin'ny tanana madinika momba azy, noravany ny mandany, nodorany ny tilikambo teo amin'izany manda manodidina azy izany.
66 Avy eo dia lasa nankany amin'ny tanin'ny Filistinina ry i Joda mirahalahy avy ka namaky ny tanana Maresa.
67 Tamin'izany andro izany no nisy mpisorona maro maty an'ady: te hanampatra herimpo fotsiny ireo, ka nisosoka niady tsy malina akory.
68 Nizotra ho any Asdoda tao anaty faritanin'ny Filistinina ihany i Joda ka noravany ny alitaran'ireny, nodorany ny sarivongan-tsampiny ary nobaboiny ny tananany, vao niverina tany Jodea izy.