1 Makabeo

Toko faha-4

51 Napetraka teo ambony latabatra ny mofo fanolotra ho an'Andriamanitra, ary nahantona ny efitra lamba; dia novitaina avokoa ny asa rehetra natao.

52 Ny andro faha-25-n'ilay volana antsoina hoe Kisleo , tamin'ny taona faha-148 , no fitsingerenan'ny andro nanimbazimban'ireo hafa firenena ny alitara fisoronana.

53 Nifoha maraina ny Jiosy tamin'io daty io ary nanolotra sorona, araka ny Lalana, teo amin'ny alitara vaovao izay narafiny hanaovana sorona dorana manontolo.

54 Hiran-tsalamo ary feom-baliha aman-dokanga sy kipantsona no nanokanana indray io alitara io.

55 Indray nihohoka ny vahoaka sady nitsaoka sy nankalaza an'ilay Andriamanitra nanambina azy.

56 Naharitra valo andro no nanaovany ny fanokanana ny alitara; sady an-kafaliana no nanolorany sorona dorana manontolo sy sorom-pihavanana ary sorom-pisaorana.

57 Noravahany fehiloha volamena sy ampinga be renty ny anoloan'ny tempoly; namboariny koa ny fidirana amin'ny tempoly sy ny efitrano sady nasiany varavarana.

58 Nisy fifaliana lehibe tokoa teo amin'ny vahoaka, sady afaka ny fahafaham-baraka nafitsoky ny hafa firenena.

59 Nifanara-kevitra i Joda sy ireo rahalahiny mbamin'ny Israelita rehetra tafangona ka nandidy ny hankalazana amim-pifaliana sy firavoravoana ireo andro fitokanana ny alitara ireo, mandritra ny valo andro isan-taona, miantomboka amin'ny faha-25-n'ny volana Kisleo.

60 Tamin'izany fotoana izany ihany no nanorenana manda avo sy tilikambo mafonja teo amin'ny tendrombohitra Tsiona, mba tsy hahazoan'ny hafa firenena manosihosy ireo toerana ireo intsony toy ny efa nataony teo aloha.

61 Nametrahan'i Joda miaramila antokony iray tao mba hiambina sy hiaro ny tempoly; nohamafisiny koa i Bety-Tsoro mba hananan'ny vahoaka tanana mimanda anankiray manoloana an'i Idomea.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0611