1 Makabeo
Toko faha-3
51 Ny tempolinao efa voahosihosy sady nozimbazimbaina; ny mpisoronao dia misaona sy mietry tena.52 Indro ny hafa firenena tafakambana hamely anay mba hamongotra anay. Ianao mahafantatra ny kasainy hatao aminay.
53 Ahoana no hanoheranay azy, raha tsy vonjenao izahay?
54 Dia nitsoka trompetra ny mpivory ary nanao horakoraka mafy.
55 Avy eo i Joda nanendry mpifehy vahoaka, dia mpifehy arivo sy mpifehy zato ary mpifehy dimampolo sy mpifehy folo.
56 Nalefany hody araka ny lalana kosa izay vao nanorin-trano na nampaka-bady na namboly voaloboka mbamin'izay natahotra.
57 Dia niainga ny tafika israelita, ka nandeha hitoby teo atsimon'i Emaosy
58 sady nilazan'i Joda hoe: -Aoka ianareo hirongo fitaovam-piadiana ary samia mahery fo. Mivonona rahampitso maraina mba hiady amin'ireo hafa firenena ireo, fa tafakambana izy hamely antsika mba hamongotra ny tenantsika sy ny tempolintsika.
59 Fa tsaratsara kokoa ho antsika ny maty an'ady toy izay ny mahita ireo loza hanjo ny firenentsika sy ny tempolintsika.
60 Na inona na inona sitrapon'Andriamanitra, dia hotanterahiny tokoa izany.