1 Makabeo

Toko voalohany

51 Toy izany no teny nandidiany an-tsoratra ny olom-peheziny rehetra eran'ny fanjakany manontolo; sady nanendry olona hanara-maso ny vahoaka rehetra izy ary nandidy ireo tananan'i Jodea tsirairay avy mba samy hanolotra sorona ho an'ny sampy.

52 Maro tamin'ny vahoaka jiosy, dia izay rehetra nandao ny lalana, no niandany tamin'ireny mpanara-maso ireny ka nanao zava-dratsy teo amin'ny taniny,

53 ary nahatonga ireo Israelita tena mpivavaka ho voatery hiafina any amin'ny toerana rehetra fiereny any.

54 Tamin'ny taona faha-145, volana Kisleo, andro fahadimy, dia ilay fanimbazimbana mahatsiravina no naorin'Antio kosa teo ambonin'ny alitara fanolorana soronadorana manontolo. Nanorenana alitaran-tsampy koa tany amin'ny tananan'i Jodearehetra teny manodidina.

55 Nandorana vovo-javamanitra teny am-baravaran'ny trano sy teny an-kianja.

56 Norovitina sy nodorana ny bokin'ny lalana sendra hita.

57 Izay olona nahita na bokin'ny fanekem-pihavanana na niseho ho miraiki-pitia amin'ny lalanan'i Mosesy, dia novonoina ho faty, noho ny didin'ny mpanjaka.

58 Toy izany no famelezana mafy nampiharina; ka indray andro isam-bolana dia novonoina ho faty ny Israelita tena mpivavaka, izay hitateny amin'ny tanana teny.

59 Isaky ny faha-25n'ny volana no fanateran-tsorona teo amin'ilay alitaran-tsampy izay naorina teo ambonin'ny alitara fanolorana sorona dorana manontolo ho an'Andriamanitra.

60 Araka ny didin'ny mpanjaka ihany, izay vehivavy nampamora ny zanany lahy dia novonoina ho faty

61 sady teo am-bozony no nanantonana io zanany io; natao maty koa ny fianakaviany sy izay olona nanatontosa ny fandidiana.

62 Kanefa maro ny Israelita no nanohitra tamin-kerimpo sy nanapa-kevitra tsy hihinana zava-maloto.

63 Naleony maty toy izay handoto tena amin-tsakafo ary tsy hiraharaha ny fanekem-pihavanana masina; ka dia natao maty tokoa izy ireny.

64 Habibiana goavana dia goavana no nihatra tamin'i Israely fahizany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0579