1 Makabeo
Toko faha-13
51 Tamin'ny taona faha-171, volana faharoa sy andro faha-23, dia velom-pihobiana ny Jiosy no niditra tao amin'io toera-mafy io, ka nitondra sampan-drofia sady nanao hira fiderana amam-pisaorana an'Andriamanitra nomban'ny valiha sy kipantsona ary harpa; fahavalo lehibe manko no voafongotra tao Israely.52 Nodidian'i Simona hankalazaina amin-kafaliana isan-taona izany andro izany.
53 Nohamafisiny ny tamboho teo amin'ny tendrombohitry ny tempoly, teo akaikin'ilay toera-mafy; dia nonina teo izy sy ny ankohonany.
54 Ary hitan'i Simona falehilahy be herimpo i Johany zanany lahy; koa natolony azy ny fifehezana ny andian-tafika rehetra. Ary i Gezera no nataon'i Johany fonenana.