1 Makabeo
Toko faha-12
51 Nony hitan'ireo mpanenjika azy fa vonon-kiaro ny ainy tokoa ny andian-tafika anankiroa, dia niverin-dalana izy,52 ny miaramila israelita rehetra kosa tonga soa aman-tsara tany Jodea. Nitomany an'i Jonatana sy ny namany izy, sady raiki-tahotra mafy; i Israely manontolo kosa nanao fisaonana lehibe.
53 Tamin'izay ny hafa firenena rehetra manodidina no nitady handevona an'i Israely, fa hoy ireo anakampony hoe: "Efa tsy manana filoha nampanampy intsony ny Jiosy; ka ndeha hasiantsika amin'izao ireo, dia hataontsika fongotra ny fahatsiarovana azy eo amin'ny olombelona."