1 Makabeo
Toko faha-11
51 Sady nametraka fitaovam-piadiana tokoa ny vahoaka no nanao fanekem-pihavanana tamin'ny mpanjaka. Nahazo vonihahitra kosa ny Jiosy teo anatrehan'i Demetry sy teo natrehan'ny olona rehetra manerana ny fanjakany, ka niverina ho any Jerosalema nitondra babo betsaka.52 Dia nahazo nipetraka teo amin'ny seza fiandrianam-panjakana ihany i Demetry mpanjaka; ary nandry feizay ny tany teo ambany fifehezany.
53 Kanjo nialan'i Demetry avokoa ny fampanantenana nataony, ka tonga nanohitra an'i Jonatana izy. Tsy namaly fitia ny asa soa vita izy, ary nanelingelina an'i Jonatana mihitsy aza.
54 Taorian'izany no tonga kosa i Trifona, nitondra an'i Antiokosa. Mbola zaza izy io kanefa voatendry ho mpanjaka sy nametrahana ny satroboninahitra.
55 Nijoro nanotrona an'i Antiokosa avokoa ny miaramila nalefan'i Demetry sady niady namely an'io ka nahatonga azy ho resy sy vaky nandositra.
56 Lasan'i Trifona ireo elefanta fampiasa an'ady ary azony koa i Antiokia.
57 Tamin'izay no nanoratan'i Antiokosa kely taratasy ho an'i Jonatana toy izao: "Hamafisiko amin'ny andraikitra maha mpisorombe ianao sy atsangako hitondra ny faritra efatra ary ataoko anisan'ny "sakaizan'ny mpanjaka."
58 Nandefasany vazy volamena sy fanaka fomban-databatra koa izy, sady nomeny lalana hisotro amina tsatokaty volamena, ary koa hitafy jaky sy hitondra jaigrafy volamena.
59 I Simona rahalahiny kosa notendren'i Antiokosa ho mpitari-tafika amin'ny faritany eo anelanelan'ny Fiakaran'i Tiro sy ny sisin-tanin'i Ejipta.
60 Niainga i Jonatana tamin'izay, ka nitety ny faritany manontolo andrefan'i Eofrata ary nifindrafindra tanana. Nivory homba azy sy hiara-miady aminy avokoa ny miaramila rehetra tany Siria. Tonga tao Askelona izy, ka notsenain'ny mponina tamim-pomba manetriketrika.
61 Avy teo izy dia nankany Gaza ; saingy nanidy vavahady teo anoloan'i Jonatana ny mponina, ka sady nataony fahirano ny tanana no namaboany sy nodorany ny tanana madinika manodidina azy.
62 Koa nitaraina tamin'i Jonatana ny olona tao Gaza; dia nekeny ny hihavana tamin'ireo, nefa nalainy ho antoka ny zanakalahin'ny lehibeny ka nalefany ho any Jerosalema. Noteteziny toy izany ny tany hatrany Damasy.
63 Ren'i Jonatana tamin'izay fa tonga ao Kedesa any Galilea ireo jeneralin'i Demetry sady nitondra tafika goavana hisakanana azy amin'ity asa tontosainy.
64 Koa niroso i Jonatana hifanehatra aminy, fa i Simona rahalahiny no napetrany tao Jodea.
65 Lasa nankany Bety-Tsoro i Simona nanodidina azy sy nanao fahirano azy naharitra andro maromaro.
66 Nangata-pihavanana taminy ny voafahirano ka nekeny; saingy nasainy nivoaka ny tanana ireo, dia noraisiny ho azy i Bety-Tsoro ka nametrahany andia-miaramila.
67 I Jonatana sy ny tafiny kosa nitoby teo akaikin'ny farihin'i Genesareta. Ny ampitsovao maraina no nidirany tao amin'ny lemak' i Hatsora.
68 Ary indreo ny miaramila hafa firenena tamy hitsena azy teo amin'io lemaka io, sady nandefa otrika teo an-tendrombohitra hamelezana an'i Jonatana. Ny ankamaroan'ny fahavalo no nandroso hanehatra azy teo anoloana,
69 fa nipoitra tampoka kosa ny otrika avy ao am-piereny ka nisantatra ady.
70 Dia vaky nandositra ny miaramila rehetra mpomba an'i Jonatana; tsy nisy nijanona afa-tsy i Matatia zanakalahin'i Absaloma ary koa i Joda zanakalahin'i Kalfy, samy jeneralin-tafika.
71 Tamin'izay i Jonatana dia nandriatra ny fitafiany sy nanosim-bovoka ny lohany ary nivavaka.
72 Avy eo izy vao lasa indray niady tamin'ny fahavalo ka nanosika azy hihemotra sy nampandositra azy.
73 Nahita izany ireo mpitsoaka ady nandao an'i Jonatana dia niverina taminy indray ka niara-nanenjika ny fahavalo hatrany Kedesa nisy ny tobiny; dia izy ireo indray no tonga nitoby tamin'io toerana io.
74 Nisy vatan-dehilahy andiany telo ireo miaramila hafa firenena no maty tamin'izany andro izany; ary niverina ho any Jerosalema i Jonatana.