1 Makabeo
Toko faha-10
51 Tamin'izay i Aleksandra no nandefa masoivoho ho any amin'i Ptolemeo mpanjakan'i Ejipta ka nampitondra izao hafatra manaraka izao:52 -Tafaverina eto amin'ny fanjakako aho ary tafapetraka amin'ny seza fiandrianan'ny razako. Nandray ny fahefana aho tamin'ny nandreseko an'i Demetry; ary azonay indray ny taninay.
53 Rafitra ady tamin'i Demetry manko aho, dia naharesy azy sy ny tafiny, ka tafasandratra eo amin'ny seza fiandrianan'ny fanjakany.
54 Ary ankehitriny aoka ho mpisakaiza isika; omeo ahy ho vadiko ny zanakavavinao, dia ho vinantonao aho; ary fanomezana mendrika ny fiambonianao no homeko anao sy homeko azy.
55 Ny valin-teny nataon'i Ptolemeo mpanjaka tamin'i Aleksandra kosa dia toy izao: -Fanambinana tokoa ny andro niverenanao ho eo amin'ny tanin-drazanao sy nipetrahanao eo amin'ny seza fiandrianan'ny fanjakany.
56 Ary ny amin'ny zavatra nosoratanao, dia ho tanterahiko izao. Eny, ho rafozandahinao aho araka ny voalazanao, kanefa tongava hihaona amiko any Ptolemaida mba hifanatri-tava isika.
57 Koa niala tany Ejipta i Ptolemeo sy i Kleopatra zanany vavy, dia nankany Ptolemaida tamin'ny taona faha-162.
58 Tonga hihaona tamin'i Ptolemeo i Aleksandra mpanjaka; dia nomen'i Ptolemeo ho vadin'io i Kleopatra zanany vavy, ka tao Ptolemaida no nanaovana ny fampakarana, araka ny fomba malaza sy manetriketrika sahaza ny mpanjaka.
59 Avy eo dia nanoratra taratasy tamin'i Jonatana i Aleksandra mpanjaka, hiantsoany azy hihaona aminy.
60 Dia nankany Ptolemaida tamim-pomba manetriketrika i Jonatana, ka nihaona tamin'ireo mpanjaka roa lahy tao; volamena sy volafotsy ary fanomezana betsaka no natolony azy sy natolony an'ireo atao hoe sakaizan'ny mpanjaka, hany ka nahazoany sitraka izany.
61 Nitambatra hamely an'i Jonatana tamin'izay ny lehilahy israelita sasany ratsy fanahy sady mpanohitra ny lalanan'Andriamanitra, ka niampanga azy; fa tsy nohenoin'ny mpanjaka Aleksandra ireo.
62 Vao mainka nasain'ny mpanjaka nesorina aza ny fitafiana teny amin'i Jonatana, dia nasainy nampiakanjoina jaky izy; ka notanterahina izany.
63 Avy eo ny mpanjaka nampipetraka azy teo anilany sady nilaza tamin'ireo lohandohan'ny tandapany hoe: -Mandehana ianareo mankany afovoan-tanana miaraka amin'i Jonatana, ka lazao ampahibemaso fa tsy misy olona mahazo manao fitarainana hamely azy na amin'inona na amin'inona, ary tsy misy mahazo manelingelina azy akory na inona na inona antony.
64 Nony nahita an'i Jonatana nomem-boninahitra ampahibemaso sy nampitafina jaky kosa ireo mpiampanga azy, dia samy nitsoaka avokoa.
65 Mbola nampian'ny mpanjaka indray aza izany voninahitr'i Jonatana izany fa nosoratany ho anisan'ireo "sakaiza voalohan'ny mpanjaka" izy, sady nataony jeneraly sy governoram-paritany.
66 Koa tamim-piadanana amam-piravoravoana no niverenan'i Jonatana ho any Jerosalema.
67 Tamin'ny taona faha-165 i Demetry faha-2 , zanakalahin'i Demetry voalohany, dia tonga tao an-tanindrazany avy any Kreta.
68 Nankararirary ny mpanjaka Aleksandra loatra izany vaovao izany, ary niverina ho any Antiokia izy.
69 I Apolony , governoran'i Koila-Siria , no nalain'i Demetry ho jeneraly; ary namory tafika goavana ilay io ka tonga nitoby teo akaikin'i Jamnia. Tao izy no nandefa iraka nankany amin'i Jonatana mpisorombe hilaza hoe:
70 -Ianao dia ianao irery no mitsangan-kanohitra anay; ka tonga famazivazy sy fandatsan'ny olona aho noho ny afitsokao. Ahoana no ahasahianao manao ny tenanao ho mahaleo tena eo anatrehanay, ao an-tendrombohitra ao?
71 Koa ankehitriny, raha matoky ny tafikao tokoa ianao, dia midina ho ety aminay aty amin'ny lemaka mba hifanandrina eo isika, fa miandany amiko ny tafik'ireto tanana amoron-tsiraka.
72 Fotory ary fantaro ny amiko sy ny amin'ireo mpanampy ahy. Milaza izy fa tsy hahatohitra anay ianao, satria indroa ny razanao teo amin'ny taniny ihany no vaky nandositra.
73 Ary tsy ho tantinao akory izao ny hafitsoky ny mpitaingin-tsoavaliko sy ny tafiko maro dia maro, aty amin'ny tany lemaka izay tsy misy vato na vatolampy na toerana azo andosirana.
74 Nisarongatra i Jonatana rehefa nandre ny tenin'i Apolony, ka nifidy vatan-dehilahy andiany folo, dia niala tao Jerosalema; ary nanatratra azy koa i Simona rahalahiny miaraka amina miaramila mpanampy.
75 Lasa nitoby teo akaikin'i Jopa ny Israelita; saingy nihidy teo anoloan'izy ireo ny tanana satria nisy andian-miaramilan'i Apolony tao, ka nanao fahirano an'io tanana io ny Israelita.
76 Raiki-tahotra kosa ny mponina ka namoha vavahady, dia azon'i Jonatana i Jopa.
77 Vao nilazana izany i Apolony, dia nampilahatra mpitaingin-tsoavaly andiany telo sy miaramila maro be ka nizotra toy ny hanitsy ho any Asdoda , kanjo nandroso nankeo amin'ny tany lemaka noho izy nanana mpitaingin-tsoavaly maro izay nitokiany.
78 Nozohin'i Jonatana teo akaikin'i Asdoda i Apolony, ka rafitra ny adin'ny tafika roa tonta.
79 Nametrahan'i Apolony mpitaingin-tsoavaly andiany iray tamina toera-miafina teo ivohon'ny Israelita,
80 kanefa nilazana i Jonatana fa nisy otrika teo ivohony. Nanodidina ny miaramilany tokoa ireo mpitaingin-tsoavaly ka nandefa zana-tsipika namelezany ny Israelita hatramin'ny maraina ka mandra-paharivan'ny andro.
81 Nanohitra azy ny Israelita araka ny nandidian'i Jonatana azy, fa nihareraka kosa ny soavalin'ireo fahavalo.
82 Tamin'izay no nampandrosoin'i Simona ny tafiny hamely ny antoko miaramila sirianina, fa efa lany hery ny mpitaingin-tsoavaly; dia resin'i Simona ny fahavalo ka vaky nandositra.
83 Niparitaka teo amin'ny lemaka ny mpitaingin-tsoavaly; nihazo an'i Asdoda ireo mpandositra ka niditra ny tanana ary nitsofoka tao amin'ny tempolin'i Dagona andriamani-tsampin'ny Asdodita, mba hialoka ao.
84 Ary namabo an'i Asdoda sy ireo tanana manodidina kosa i Jonatana, dia nandoro azy; nodorany koa ny tempolin'i Dagona mbamin'izay rehetra nialoka tao.
85 Sahabo ho andiany valo ireo vatan-dehilahy matin-tsabatra na levon'ny afo tamin'izay.
86 Avy eo i Jonatana dia lasa nitoby teo akaikin'i Askelona ka tonga nitsena sy nanome voninahitra azy ny mponina tao.
87 Izay vao niverina ho any Jerosalema izy mbamin'ny miaramilany nitondra babo maro.
88 Nony nandre izany zava-niseho izany i Aleksandra mpanjaka, dia nanome voninahitra vaovao indray an'i Jonatana.
89 Nandefasany jaigrafy volamena izy, fanomezana tahaka izay fanao amin'ny olona antsoina hoe "havan'ny mpanjaka"; ary nomeny azy ho fananany koa ny tanana Hekrona mbamin'ny faritra manontolo miankina aminy.