TsefaniĆ 

Toko faha-3

1 Lozan'i Jerosalema ilay tanana mpikomy, feno fahalovana sy fampahoriana!

2 Tsy nohenoiny ny tenin'ny TOMPO, tsy noraisiny ny fampitandremany! tsy nametra-pitokiana taminy izy; ilay Andriamaniny tsy nohatoniny.

3 Toy ny liona mierona ireo lehibeny; toy ny amboadia mihaza hariva ny mpitsarany, ka tsy mitahiry remby ho tra-maraina.

4 Mpieboebo sady mpamitaka ireo mpaminaniny; zimbazimbain'ireo mpisorony kosa ny zavatra voatokana ho an'Andriamanitra ary dikainy ny lalana.

5 Kanefa ny TOMPO mpandala fahamarinana no eo afovoan'ny tanana; ka tsy manao faharatsiana Izy, fa isa-maraina tsy diso no amoahany ny fitsarany. Na izany aza ny ratsy fanahy dia tsy mahalala menatra!

6 Teny hentitra avy amin'ny TOMPO izao: Nahafongana firenena maro Aho, narodako ny tilikambon'ny mandany, navelako ho foana ny lalany, ka tsy nisy mpandalo intsony; noravako ny tananany ka tsy nisy mponina intsony.

7 Dia hoy Aho anakampoko: Raha manaja Ahy i Jerosalema ary mandray ny fampitandremako, dia tsy horavako ny fonenany araka ny fandrahonana nataoko taminy! Kanefa vao mainka nilomay hanao ratsy ihany izy iray tanana.

8 Koa dia andrasonareo ny famaizako amin'ny andro hiaviako hiampanga anareo. Tapa-kevitra Aho hanangona ny firenena sy fanjakana mba hampidinako manontolo ny fahatezerako mirehidrehitra; ka handevona ny tany manontolo ny afon'ny fahasaro-piaroko.

9 Amin'izany, dia hovako ny firenena isan-tokony ka hodioviko ny molony; dia hivavaka amiko TOMPO izy rehetra ary hiray hina hanompo Ahy.

10 Eny fa hatrany an-dafin'ny onin'i Etiopia ireo mpivavaka amiko izay naeliko no ho avy hitondra fanatitra ho Ahy.

11 Amin'izany andro izany, ry vahoakako, dia tsy ho menatra intsony ianao tamin'izay ratsy rehetra nataonao ka nanotanao tamiko. Hoesoriko tsy ho eo aminao ny mpirehareha rehetra ary tsy hiavonavona intsony ianao eo an-tendrombohitro masina.

12 Nefa hisy olona ory sy malahelo hataoko sisa tavela eo aminao, dia olona hitady fialofana amiko TOMPO.

13 Ny sisa velona amin'ny vahoaka Israely dia tsy hanao heloka na hilaza lainga intsony, ary tsy hanao teny mamitaka intsony. Fa hihinana sy handry feizay izy ka tsy hisy hampatahotra azy.

14 Mihobia, ry tananan'i Tsiona! Manaova firavoravoana, ry vahoakan'i Israely! Mifalia sy mibitaha amin'ny fonareo manontolo, ry mponin'i Jerosalema!

15 Ny TOMPO efa nanaisotra ny fanamelohana izay nitambesatra taminareo; Izy efa nampandositra ny fahavalonareo. Ny TOMPO, mpanjakan'i Israely, no momba anareo ka tsy hisy loza hatahoranareo intsony.

16 Io andro io no hilazana amin'i Jerosalema hoe: Aza matahotra, ry tananan'i Tsiona, aza miraviravy tanana!

17 Ny TOMPO Andriamanitrao no momba anao; mahery Izy ka hampandresy anao. Maneho ny hafaliany noho ny aminao Izy; ny fitiavany no anavaozany anao; noho ny aminao dia mientam-pihobiana Izy

18 toy ny amin'ny andro fety. Hoy ny TOMPO hoe: Hofoanako ny fahoriana, hoesoriko ny henatra mitambesatra aminareo.

19 Indro tonga ny fotoana hamelezako izay rehetra nampahory anareo. Hotsaboiko ny maratranareo, hampodiko ny voasesitany; eny, havadiko ho voninahitra sy laza ny fanaovana tsinontsinona anareo tany amin'ny tany rehetra.

20 Amin'izany fotoana izany tokoa no hampodiako sy hamoriako anareo. Ho hitanareo fa hambiniko indray ianareo; homeko voninahitra sy laza ianareo any amin'ny firenena rehetra eto an-tany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0689