TsefaniĆ
Toko faha-2
1 Mandiniha ka mieritrereta, ry vahoaka lany henatra,2 dieny ianareo tsy mbola tonga toy ny akofa izay miely indray andro monja, dieny tsy mbola mahazo anareo ny afom-pahatezeran'ny TOMPO, ary dieny tsy mbola tonga aminareo ny andro hirehetan'izany.
3 Mitadiava ny TOMPO ianareo rehetra, ry mpanetry tena eto amin'ny tany sady mpanatanteraka ny fitsipiny. Manaova ny marina, manetre tena eo anatrehan'ny TOMPO. Angamba ho voatsimbina ihany ianareo amin'ny androm-pahatezerany.
4 Fa hilaozana i Gaza, ary ho lao i Askelona. Horoahina mitataovovonana ny mponin'i Asdoda, ary hofongorana ny an'i Hekrona.
5 Lozanareo avy any Kaftora, izay mipetraka amoron-dranomasina! Izao no tenin'ny TOMPO mitsara anareo: Ry Kanahana tanin'ny Filistinina, haringako tsy hisy mponina intsony eo aminao.
6 Ny taninao eo amorontsiraka dia ho lasa fiandrasam-biby fiompy ka hiriariavan'ny mpiandry ondry ary hasiana valan'ondry aman'osy.
7 Ny sisa velona amin'ny taranak'i Joda no hanana izany faritra izany; ao no hiandrasany biby fiompy, ary ny tranon'i Askelona no hatoriany amin'ny hariva. Fa hanasoa azy ny TOMPO Andriamaniny ary hanome fanambinana azy indray.
8 Ny TOMPOn'izao rehetra izao sady Andriamanitr'i Israely: dia manao teny hentitra hoe: Reko ny olon'i Moaba sy Hamona nandatsa sy nanaratsy ny vahoakako. Eny, nandatsa azy izy roa tonta, ary nanitatra ny taniny teo amin'ny azy.
9 Koa velona AHO ary mianiana fa ho levona i Moaba sy i Hamona, ho tahaka ny tananan'i Sodoma sy Gomora ka ho kirihitra tsilo sy lava-tsira ary ho tany lao mandrakizay; ho avy handroba sy haka ny taniny ireo sisa velona amin'ny vahoakako.
10 Izany no famaizana setrin'ny avonavony satria izy roa tonta dia samy nandatsa ny vahoakan'ilay TOMPOn'izao rehetra izao ary nanitatra ny taniny teo amin'ny azy.
11 Hahatsiravina ny hataon'ny TOMPO aminy; hofoanany avokoa ireo andriamanitry ny olombelona. Koa na ireo hafa firenena faran'izay lavitra aza dia hiankohoka avokoa hitsaoka Azy, samy any amin'ny taniny avy.
12 Ianareo koa, ry Etiopianina, hoy ny Tompo, hovonoiko amin'ny ady ianareo.
13 Haninji-tanana koa ny TOMPO hamely ny faritra avaratra ka handringana an'i Asiria; Izy no hahalao ny tananan'i Ninive ka hahatonga azy ho karankaina toy ny taniefitra.
14 Ao amin'ny toerana nisy an'i Ninive dia handrian'ny omby aman'ondry sy ireo karazam-biby samy hafa; honenan'ny vorondolo sy tararaka eny an-tampon'ireo andrin-tranony, feom-borona no ho re eo am-baravarankely, faharavana no ho hita raha vao mby eo an-tokonana satria ho voaendaka ny rafitra hazo sedera.
15 Izany no hiafaran'ilay tanana fatra-pirehareha, sady niaina tamim-pilaminana ary nihevi-tena ho tsy manan-tsahala. Indrisy, efa tonga lao izy izao ary fierem-biby! Izay rehetra mandalo eo akaikiny dia hisioka sy hanakifi-tanana ho fanesoana azy.