TsefaniĆ
Toko voalohany
1 Izao no teny nomen'ny TOMPO an'i Tsefania tamin'ny andro nanjakan'i Josia zanakalahin'i Amona sady mpanjakan'i Joda. I Tsefania dia zanakalahin'i Kosy, zafikelin'i Gedalia, zafiafin'i Amaria ary zafindohalik'i Hezekia.2 Izao no teny hentitra ataon'ny TOMPO: Holevoniko avokoa ny aina rehetra eto ambonin'ny tany.
3 Hopotehiko ny olona sy ny biby ary ny vorona mbamin'ny trondro; haringako ny ratsy fanahy sy ny asa manafintohina ataony. Tsy avelako hisy olona na dia iray aza eto ambonin'ny tany. Teny hentitra avy amiko TOMPO izany.
4 Hirotsaka hamely ny mponin'i Jerosalema sy ny vahoaka rehetra ao Joda Aho. Hofoanako tsy hisy amin'ity toerana ity ny zavatra sisa rehetra tamin'ny fanompoana an'i Bahala; eny, hofoanako hatramin'ny fahatsiarovana ireo mpisoron'io andriamani-tsiizy io koa aza.
5 Hopotehiko izay miakatra an-tafon-trano mba hivavaka amin'ireo zavatra eny amin'ny lanitra, dia izay mivavaka sy mianiana amiko TOMPO nefa manao izany koa amin'i Milkoma.
6 Holevoniko izay mihataka miala amiko TOMPO ka tsy mitady AHY sady tsy mila hevitra amiko.
7 Mangina eo anatrehan'ny Tompo ANDRIANANAHARY fa efa akaiky ny andro hirotsahany an-tsehatra! Efa nanomana sorona ny TOMPO, ary efa nanadio ireo olona nasainy.
8 Izao no teny hentitra ataon'ny TOMPO: Amin'izany andro hanaovako sorona izany dia hofaiziko ny mpitondra sy ny zanaky ny mpanjaka ary izay rehetra manaraka fomba fitafy vahiny.
9 Amin'izany andro izany dia hofaiziko avokoa izay rehetra mandingana ny tokonan-tempoliny sy izay rehetra mameno ny tranon'ny tompony amin'ny harena azo an-kosoka sy an-keriny.
10 Amin'izany andro izany, hoy ny teny hentitra lazaiko, ao Jerosalema dia handrenesana kiaka mafy eo am-bavahadin-trondro sy fitomaniana ao Antanambao ary firodanan-trano eny amin'ny havoana.
11 Midradradradra ianareo, ry mponina an-tanana ambany, fa ho faty avokoa ny mpivarotra, ho lany ringana avokoa ny mpandranto.
12 Amin'izay fotoana izay dia handray fanala Aho ary hosavaiko ny tananan'i Jerosalema; ka hofaiziko ny olona izay mandry fahalemana toy ny faikan-divay efa mifetaka, dia izay manao anakampo hoe: Sady tsy hanao soa ny TOMPO no tsy hanao ratsy!
13 Koa dia hobaboina ny hareny ary horavana ny tranony; hanao trano izy nefa tsy hitoetra ao; hamboly voaloboka izy, nefa tsy hisotro ny divay avy aminy.
14 Manakaiky ilay andro lehibe hiavian'ny TOMPO, manakaiky sady ho tamy faingana tokoa. Vao migadona izany dia kiakam-pahakiviana, fa na ny lehilahy mahery fo aza dia hiantsoantso mafy vonjeo!
15 Ho androm-pahatezeran'ny TOMPO izany, ho androm-pahoriana sy tebiteby, ho androm-paharavana sy fahapotehana, eny, ho andro maizina mikitroka, ho andro rako-drahona sy zavona.
16 Izany andro izany no handrenesana ny miaramila hitsoka trompetra sy hanao akoran'ady hamelezana ireo tanana mimanda sy ny tilikambo avo eny amin'ny zorony.
17 Hoy ny TOMPO hoe: Hampahoriko ny olona ka hitsapatsapa toy ny jamba, noho izy efa nanota tamiko; ka ny rany dia hiraraka toy ny vovoka, ary ny fatiny ho lo tahaka ny zezika.
18 Amin'ny androm-pahatezeran'ny TOMPO, dia samy tsy hahavonjy ny olona na ny volafotsiny na ny volamenany. Fa hiredareda ny fahasaro-piaron'ny TOMPO ka handevona ny tany tontolo. Eny, hahatsiravina tokoa izany, satria haringan'ny TOMPO ny mponina rehetra amin'ny tany.