Tito
Toko faha-3
1 Ampahatsiarovy ny mpino mba hanaiky ny mpitondra sy ny manampahefana, hanoa azy ka ho vonona hanatontosa izay rehetra mety ho asa soa.2 Aoka ny mpino tsy hanevateva olona, tsy ho fiadina, fa handefitra, haneho halemem-panahy lalandava amin'ny olona rehetra.
3 Fa isika koa taloha mba adala, tsy nanaiky, naniasia; efa nandevozin'ny filana sy fahafinaretana isan-karazany isika, lany andro tamin'ny haratsiam-panahy sy ny fialonana, sady ankahalain'olona no mankahala olona.
4 Fa nony efa naneho ny hamoram-pony sy ny fitiavany olona ilay Andriamanitra Mpamonjy antsika,
5 dia novonjeny isika, tsy noho ny asa marina vitantsika, fa noho ny famindrampony tamintsika. Ny namonjeny antsika dia tamin'ny alalan'ny rano fampandroana izay nanomezan'ny Fanahy Masina antsika fahateraham-baovao sy fiainam-baovao.
6 Fa nandrotsahan'Andriamanitra be dia be ny Fanahy Masina isika tamin'ny alalan'i Kristy Jesoa Mpamonjy antsika,
7 hahatonga antsika ho marina eo anatrehan'Andriamanitra noho ny fahasoavan'i Kristy sy hahatonga antsika hanana anjara amin'ny fiaina-maharitra mandrakizay efa antenaintsika.
8 Teny azo antoka izany! Tiako hoantitranterinao ireo zavatra ireo mba himasoan'ny mpino an'Andriamanitra hiezaka manao asa tsara; izany no tsara sady mahasoa ny olona.
9 Fa halaviro ny fanontaniana adaladala, ny tantaram-pirazanana, ny fifandirana sy ady momba ny lalana jiosy; satria sady tsy mahasoa izany no zava-poana.
10 Ny olona mpampisara-bazana dia anaro indray mandeha sy fanindroany; ka rehefa tsy laitra anarina, dia ialao.
11 Fantatrao manko fa ny olona toy izany dia efa mivaona ka sady manota no manamelo-tena rahateo.
12 Rehefa halefako aty aminao i Artema na i Tisiko, dia ataovy mihitsy izay hahatongavanao aty amiko aty Nikopoly; fa ao no efa nokasaiko handaniana ny ririnina.
13 Ampio mihitsy i Zena mpahay lalana sy i Apolao amin'ny dia ataony, mba tsy ho orin-javatra izy roa lahy.
14 Aoka ny olontsika hiezaka hanao asa tsara koa mba ho afa-manampy rehefa misy mahatery, fandrao tsy hisy vokany ny fiainany.
15 Manao veloma anao izay rehetra miaraka amiko eto. Veloma any amin'ireo mandray anay ho sakaizany ao amin'ny finoana. Homba anareo rehetra anie ny fahasoavan'Andriamanitra!